< コリント人への手紙第一 13 >

1 我假令人間と天使との言語を語るとも、愛なければ鳴る鐘、響く鐃鈸の如くなりたるのみ。
Na dia miteny amin’ ny fitenin’ ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
2 我假令預言する事を得て、一切の奥義一切の學科を知り、又假令山を移す程なる一切の信仰を有すとも、愛なければ何物にも非ず。
Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
3 我假令わが財産を悉く(貧者の食物として)分與へ、又我身を焼かるる為に付すとも、愛なければ聊も我に益ある事なし。
Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
4 愛は堪忍し、情あり、愛は妬まず、自慢せず、驕らず、
Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
5 非禮を為さず、己の為に謀らず、怒らず、惡を負はせず、
tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
6 不義を喜ばずして眞實を喜び、
tsy mifaly amin’ ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ ny fahamarinana kosa,
7 何事をも包み、何事をも信じ、何事をも希望し、何事をも怺ふるなり。
mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
8 預言は廃り、言語は止み、知識は亡ぶべきも、愛は何時も絶ゆる事なし。
Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
9 蓋我等の知る事は不完全に、預言する事は不完全なれども、
Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
10 完全なるところ來らば不完全なるところは廃らん。
fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
11 我が小兒たりし時は、語る事も小兒の如く、判断する事も小兒の如く、考ふる事も小兒の如くなりしかど、大人となりては小兒の事を棄てたり。
Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.
12 今我等の見るは鏡を以てして朧なれども、彼時には顔と顔とを合せ、今我が知る所は不完全なれども、彼時には我が知らるるが如くに知るべし。
Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
13 今存するものは信、望、愛此三なれども、就中最大いなるものは愛なり。
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo.

< コリント人への手紙第一 13 >