< コリント人への手紙第一 12 >

1 第二項 霊的賜に関する教訓 兄弟等よ、霊的[賜]に関しては、我汝等の知らざるを好まず。
Ary ny amin’ ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo.
2 汝等異邦人たりし時、誘はるる儘に、言はぬ偶像に趣き居たりし次第は、汝等の知れる所なり。
Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin’ ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.
3 故に我汝等に示さん、誰も神の霊に由りて語るに、イエズス詛はれよと言ふ人なく、又誰も聖霊に由らずして、イエズスを主にて在すと言を得ず。
Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ ny Fanahy Masìna.
4 偖て賜の分配は異なれども霊は同一にて在す。
Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.
5 聖役の分配も亦異なれども主は同一にて在す。
Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.
6 作業の分配も亦異なれども、総ての人の中に総ての事を行ひ給ふ神は同一にて在す。
Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ ny olona rehetra.
7 然るに霊の顕れ給事を人々に賜はるは公益の為にして、
Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.
8 一人は霊を以て知識の詞を賜はり、
Fa ny anankiray nomen’ ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,
9 一人は同じ霊に從ひて學識の詞を賜はり、一人は同じ霊に由りて信仰を賜はり、一人は同じ霊に由りて病を醫す恵を賜はり、
ary ny anankiray finoana, amin’ izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’ izany Fanahy iray izany ihany,
10 一人は奇蹟を行ひ、一人は預言し、一人は精神を識別し、一人は他國語を語り、一人は他國語を通訳する事を賜はるなり。
ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.
11 然れども此等を悉く行ひ給ふものは同一の霊に在して、思召の儘に面々に分與へ給ふなり。
Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
12 是身は一なるに其肢は多く、身に於る一切の肢は多しと雖も一の身なるが如く、キリストも亦然るなり。
Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
13 即ち我等は、或はユデア人、或はギリシア人、或は奴隷、或は自由の身なるも、一體と成らん為に悉く一の霊に於て洗せられ、皆一の霊に飲飽かしめられたり。
Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
14 蓋身は一の肢に非ずして多くの肢なり、
Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.
15 足もし我は手に非ざる故に身に属せずと云はば、果して身に属せざるか、
Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin’ izany dia tsy momba ny tena va izy?
16 耳もし我は目に非ざる故に身に属せずと云はば、果して身に属せざるか、
Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena, ― koa amin’ izany dia tsy momba ny tena va izy?
17 若身を挙りて目ならば聞く所は何處ぞ、身を挙りて聞く所ならば嗅ぐ所は何處ぞ、
Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?
18 然れば神は、思召の儘に肢を其々身に置き給へるなり。
Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ ny tena araka ny sitrapony.
19 皆一の肢ならば、身は何處にか在るべき、
Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?
20 今肢は多しと雖も、身は一なり。
Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.
21 目手に向ひて、我汝の助を要せずと云ひ、頭も亦兩足に向ひて、汝等我に必要ならずと云ふ能はず。
Ary ny maso tsy mahazo manao amin’ ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin’ ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.
22 身の中に最も弱しと見ゆる肢は却て必要なり。
Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.
23 又身の中に於て我等が殊に卑しと思へる肢は、之に物を纏ひて更に光榮を添へ、又醜き部分は一層之を鄭重にすれども、
Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin’ ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
24 尊き部分に至りては却て何物をも要せず、神は身體を調和し給ひて、缼乏せる所には尚豊に榮耀を加へ給へり。
fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin’ ny momba ny tenantsika. Fa tamin’ ny nanamboaran’ Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa,
25 是身の中に分裂ある事なく、肢の相一致し扶合はんが為にして、
mba tsy hisy fisarahana eo amin’ ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
26 一の肢苦しめば諸の肢共に苦しみ、一の肢尊ばるれば諸の肢共に喜ぶなり。
Ary raha mijaly ny anankiray amin’ ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
27 今汝等はキリストの身にして、其幾分の肢なり。
Ary ianareo no tenan’ i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.
28 斯て神は教會に於て或人々を置き給ふに、第一に使徒等、第二に預言者、第三に教師、次に奇蹟[を行ふ人]、其次に病を醫す賜[を得たる人]、施[を為す人]、司る者、他國語を語る者、他國語を通訳する者を置き給へり。
Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.
29 挙りて使徒なるか、挙りて預言者なるか、挙りて教師なるか、
Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?
30 挙りて奇蹟を行ふ者なるか、挙りて病を醫す恵を有する者なるか、挙りて他國語を語る者なるか、挙りて通訳する者なるか、
Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?
31 汝等は最も善き賜を慕へ、我は尚勝たる道を示さん。
Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo:

< コリント人への手紙第一 12 >