< 撒迦利亞書 6 >

1 我又舉目觀看,見有四輛車從兩山中間出來;那山是銅山。
Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan’ ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
2 第一輛車套着紅馬,第二輛車套着黑馬。
Tamin’ ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin’ ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
3 第三輛車套着白馬,第四輛車套着有斑點的壯馬。
tamin’ ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena.
4 我就問與我說話的天使說:「主啊,這是甚麼意思?」
Dia nanontany tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5 天使回答我說:「這是天的四風,是從普天下的主面前出來的。」
Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
6 套着黑馬的車往北方去,白馬跟隨在後;有斑點的馬往南方去。
Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin’ ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin’ ny tany atsimo.
7 壯馬出來,要在遍地走來走去。天使說:「你們只管在遍地走來走去。」牠們就照樣行了。
Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin’ ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin’ ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin’ ny tany izy.
8 他又呼叫我說:「看哪,往北方去的已在北方安慰我的心。」
Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin’ ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin’ ny tany avaratra.
9 耶和華的話臨到我說:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
10 「你要從被擄之人中取黑玳、多比雅、耶大雅的金銀。這三人是從巴比倫來到西番雅的兒子約西亞的家裏。當日你要進他的家,
Mandraisa avy amin’ ny babo, dia amin’ i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin’ izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon’ i Josia, zanak’ i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
11 取這金銀做冠冕,戴在約撒答的兒子大祭司約書亞的頭上,
eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe;
12 對他說,萬軍之耶和華如此說:看哪,那名稱為大衛苗裔的,他要在本處長起來,並要建造耶和華的殿。
dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin’ i Jehovah.
13 他要建造耶和華的殿,並擔負尊榮,坐在位上掌王權;又必在位上作祭司,使兩職之間籌定和平。
Eny, Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa.
14 這冠冕要歸希連、多比雅、耶大雅,和西番雅的兒子賢,放在耶和華的殿裏為記念。」
Ary ny satro-boninahitra dia ho an’ i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak’ i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah.
15 遠方的人也要來建造耶和華的殿,你們就知道萬軍之耶和華差遣我到你們這裏來。你們若留意聽從耶和華-你們上帝的話,這事必然成就。
Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.

< 撒迦利亞書 6 >