< 撒迦利亞書 7 >

1 大流士王第四年九月,就是基斯流月初四日,耶和華的話臨到撒迦利亞。
Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria, tamin’ ny andro fahefatra tamin’ ny volana fahasivy (Kisleva izany);
2 那時伯特利人已經打發沙利色和利堅米勒,並跟從他們的人,去懇求耶和華的恩,
ary Betela efa naniraka an’ i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin’ i Jehovah
3 並問萬軍之耶和華殿中的祭司和先知說:「我歷年以來,在五月間哭泣齋戒,現在還當這樣行嗎?」
ka hiteny amin’ ny mpisoron’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy amin’ ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin’ ny taon-dasa ela?
4 萬軍之耶和華的話就臨到我說:
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, nanao hoe:
5 「你要宣告國內的眾民和祭司,說:『你們這七十年,在五月、七月禁食悲哀,豈是絲毫向我禁食嗎?
Lazao amin’ ny vahoaka rehetra amin’ ny tany sy amin’ ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin’ izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
6 你們吃喝,不是為自己吃,為自己喝嗎?
Ary raha mihinana sy misotro ianareo, moa tsy mihinana sy misotro ho an’ ny tenanareo ihany va ianareo?
7 當耶路撒冷和四圍的城邑有居民,正興盛,南地高原有人居住的時候,耶和華藉從前的先知所宣告的話,你們不當聽嗎?』」
Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain’ i Jehovah nantsoin’ ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka?
8 耶和華的話又臨到撒迦利亞說:
Ary tonga tamin’ i Zakaria ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
9 「萬軍之耶和華曾對你們的列祖如此說:『要按至理判斷,各人以慈愛憐憫弟兄。
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ ny rahalahiny avy;
10 不可欺壓寡婦、孤兒、寄居的,和貧窮人。誰都不可心裏謀害弟兄。』」
ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
11 他們卻不肯聽從,扭轉肩頭,塞耳不聽,
Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.
12 使心硬如金鋼石,不聽律法和萬軍之耶和華用靈藉從前的先知所說的話。故此,萬軍之耶和華大發烈怒。
Eny, nanao ny fony ho mafy, toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’ ny Fanahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, holazain’ ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro,
13 萬軍之耶和華說:「我曾呼喚他們,他們不聽;將來他們呼求我,我也不聽!
Koa toy ny niantsoan’ ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro;
14 我必以旋風吹散他們到素不認識的萬國中。這樣,他們的地就荒涼,甚至無人來往經過,因為他們使美好之地荒涼了。」
fa haeliko amin’ ny tafio-drivotra ho any amin’ ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.

< 撒迦利亞書 7 >