< 撒迦利亞書 5 >

1 我又舉目觀看,見有一飛行的書卷。
Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.
2 他問我說:「你看見甚麼?」我回答說:「我看見一飛行的書卷,長二十肘,寬十肘。」
Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
3 他對我說:「這是發出行在遍地上的咒詛。凡偷竊的必按卷上這面的話除滅;凡起假誓的必按卷上那面的話除滅。
Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.
4 萬軍之耶和華說:我必使這書卷出去,進入偷竊人的家和指我名起假誓人的家,必常在他家裏,連房屋帶木石都毀滅了。」
Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka hiditra ao an-tranon’ ny mpangalatra sy ao an-tranon’ izay mianian-tsy tò amin’ ny anarako ary hitoetra ao amin’ ny tranony ka handevona azy mbamin’ ny hazony sy ny vatony.
5 與我說話的天使出來,對我說:「你要舉目觀看,見所出來的是甚麼?」
Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.
6 我說:「這是甚麼呢?」他說:「這出來的是量器。」他又說:「這是惡人在遍地的形狀。」
Dia hoy izaho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana’ mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin’ ny tany rehetra
7 (我見有一片圓鉛被舉起來。)這坐在量器中的是個婦人。
(ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin’ ny vata famarana.
8 天使說:「這是罪惡。」他就把婦人扔在量器中,將那片圓鉛扔在量器的口上。
Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin’ ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan’ io ny vato firaka.
9 我又舉目觀看,見有兩個婦人出來,在她們翅膀中有風,飛得甚快,翅膀如同鸛鳥的翅膀。她們將量器抬起來,懸在天地中間。
Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.
10 我問與我說話的天使說:「她們要將量器抬到哪裏去呢?」
Dia hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ ireto ny vata famarana.
11 他對我說:「要往示拿地去,為它蓋造房屋;等房屋齊備,就把它安置在自己的地方。」
Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin’ ny fipetrahany izy.

< 撒迦利亞書 5 >