< 雅歌 6 >

1 你這女子中極美麗的, 你的良人往何處去了? 你的良人轉向何處去了, 我們好與你同去尋找他。
Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
2 我的良人下入自己園中, 到香花畦, 在園內牧放群羊, 採百合花。
Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin’ ny tanimboly sy hioty ny lilia.
3 我屬我的良人, 我的良人也屬我; 他在百合花中牧放群羊。
An’ ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin’ ny lilia.
4 我的佳偶啊,你美麗如得撒, 秀美如耶路撒冷, 威武如展開旌旗的軍隊。
Tsara tarehy tahaka an’ i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an’ i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva.
5 求你掉轉眼目不看我, 因你的眼目使我驚亂。 你的頭髮如同山羊群臥在基列山旁。
Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan’ i Gileada.
6 你的牙齒如一群母羊 洗淨上來,個個都有雙生, 沒有一隻喪掉子的。
Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin’ ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,
7 你的兩太陽在帕子內, 如同一塊石榴。
Tahaka ny hasin’ ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ ny fisalobonanao.
8 有六十王后八十妃嬪, 並有無數的童女。
Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.
9 我的鴿子,我的完全人, 只有這一個是她母親獨生的, 是生養她者所寶愛的。 眾女子見了就稱她有福; 王后妃嬪見了也讚美她。
Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin’ izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.
10 那向外觀看、如晨光發現、 美麗如月亮、皎潔如日頭、 威武如展開旌旗軍隊的是誰呢?
Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva?
11 我下入核桃園, 要看谷中青綠的植物, 要看葡萄發芽沒有, 石榴開花沒有。
Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongabendanitra.
12 不知不覺, 我的心將我安置在我尊長的車中。
Tsy nampoiziko ny nanandratan’ ny fanahiko ahy ho eo amin’ ny kalesin’ ny fireneko be voninahitra.
13 回來,回來,書拉密女; 你回來,你回來,使我們得觀看你。 〔新娘〕 你們為何要觀看書拉密女, 像觀看瑪哈念跳舞的呢?
Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin’ ny Solemita? Dihy tahaka ny an’ i Mahanaima.

< 雅歌 6 >