< 雅歌 5 >

1 我妹子,我新婦, 我進了我的園中, 採了我的沒藥和香料, 吃了我的蜜房和蜂蜜, 喝了我的酒和奶。 〔耶路撒冷的眾女子〕 我的朋友們,請吃! 我所親愛的,請喝,且多多地喝!
Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin’ ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
2 我身睡臥,我心卻醒。 這是我良人的聲音; 他敲門說: 〔新郎〕 我的妹子,我的佳偶, 我的鴿子,我的完全人, 求你給我開門; 因我的頭滿了露水, 我的頭髮被夜露滴濕。
Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon’ ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton’ ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan’ ny andon’ ny alina.
3 我回答說: 我脫了衣裳,怎能再穿上呢? 我洗了腳,怎能再玷污呢?
Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?
4 我的良人從門孔裏伸進手來, 我便因他動了心。
Nampiditra ny tànany teo amin’ ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
5 我起來,要給我良人開門。 我的兩手滴下沒藥; 我的指頭有沒藥汁滴在門閂上。
Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon’ ny miora teo amin’ ny famohana ny hidin-trano.
6 我給我的良人開了門; 我的良人卻已轉身走了。 他說話的時候,我神不守舍; 我尋找他,竟尋不見; 我呼叫他,他卻不回答。
Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin’ ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
7 城中巡邏看守的人遇見我, 打了我,傷了我; 看守城牆的人奪去我的披肩。
Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.
8 耶路撒冷的眾女子啊,我囑咐你們: 若遇見我的良人, 要告訴他,我因思愛成病。
Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
9 你這女子中極美麗的, 你的良人比別人的良人有何強處? 你的良人比別人的良人有何強處, 你就這樣囑咐我們?
Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
10 我的良人白而且紅, 超乎萬人之上。
Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin’ ny alinalina.
11 他的頭像至精的金子; 他的頭髮厚密纍垂,黑如烏鴉。
Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
12 他的眼如溪水旁的鴿子眼, 用奶洗淨,安得合式。
Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan’ ny sakeli-drano, mandro amin’ ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
13 他的兩腮如香花畦, 如香草臺; 他的嘴唇像百合花, 且滴下沒藥汁。
Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon’ ny miora.
14 他的兩手好像金管, 鑲嵌水蒼玉; 他的身體如同雕刻的象牙, 周圍鑲嵌藍寶石。
Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
15 他的腿好像白玉石柱, 安在精金座上; 他的形狀如黎巴嫩, 且佳美如香柏樹。
Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin’ ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an’ i Libanona, tsara toy ny sedera.
16 他的口極其甘甜; 他全然可愛。 耶路撒冷的眾女子啊, 這是我的良人; 這是我的朋友。
Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin’ i Jerosalema!

< 雅歌 5 >