< 雅歌 7 >

1 王女啊,你的腳在鞋中何其美好! 你的大腿圓潤,好像美玉, 是巧匠的手做成的。
Endrey! mahate-hijery ny famindran’ ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak’ andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon’ ny tanan’ ny mahay zavatra.
2 你的肚臍如圓杯, 不缺調和的酒; 你的腰如一堆麥子, 周圍有百合花。
Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
3 你的兩乳好像一對小鹿, 就是母鹿雙生的。
Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
4 你的頸項如象牙臺; 你的眼目像希實本、巴特‧拉併門旁的水池; 你的鼻子彷彿朝大馬士革的黎巴嫩塔。
Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin’ ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an’ i Damaskosy.
5 你的頭在你身上好像迦密山; 你頭上的髮是紫黑色; 王的心因這下垂的髮綹繫住了。
Ny lohanao dia tahaka an’ i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ ny volo olioly ny mpanjaka!
6 我所愛的,你何其美好! 何其可悅,使人歡暢喜樂!
Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin’ izao zava-mahafinaritra rehetra izao!
7 你的身量好像棕樹; 你的兩乳如同其上的果子,纍纍下垂。
Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.
8 我說:我要上這棕樹,抓住枝子。 願你的兩乳好像葡萄纍纍下垂, 你鼻子的氣味香如蘋果;
Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ ny poma,
9 你的口如上好的酒。 〔新娘〕 女子說:為我的良人下咽舒暢, 流入睡覺人的嘴中。
Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ ny malalako sady miditra misononoka amin’ ny molotry ny matory.
10 我屬我的良人, 他也戀慕我。
An’ ny malalako aho, sady manina ahy izy.
11 我的良人,來吧! 你我可以往田間去; 你我可以在村莊住宿。
Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
12 我們早晨起來往葡萄園去, 看看葡萄發芽開花沒有, 石榴放蕊沒有; 我在那裏要將我的愛情給你。
Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongabendanitra any no hanehoako ny fitiavako anao.
13 風茄放香, 在我們的門內有各樣新陳佳美的果子; 我的良人,這都是我為你存留的。
Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.

< 雅歌 7 >