< 詩篇 6 >

1 大衛的詩,交與伶長。用絲弦的樂器,調用第八。 耶和華啊,求你不要在怒中責備我, 也不要在烈怒中懲罰我!
Ho an’ ny mpiventy hira. Nampiarahina amin’ ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2 耶和華啊,求你可憐我,因為我軟弱。 耶和華啊,求你醫治我,因為我的骨頭發戰。
Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
3 我心也大大地驚惶。 耶和華啊,你要到幾時才救我呢?
Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
4 耶和華啊,求你轉回搭救我! 因你的慈愛拯救我。
Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
5 因為,在死地無人記念你, 在陰間有誰稱謝你? (Sheol h7585)
Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? (Sheol h7585)
6 我因唉哼而困乏; 我每夜流淚,把床榻漂起, 把褥子濕透。
Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan’ alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.
7 我因憂愁眼睛乾癟, 又因我一切的敵人眼睛昏花。
Lanin’ alahelo ny masoko; efa pahina izy amin’ ny ataon’ ny mpampahory ahy rehetra.
8 你們一切作孽的人,離開我吧! 因為耶和華聽了我哀哭的聲音。
Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako.
9 耶和華聽了我的懇求; 耶和華必收納我的禱告。
Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.
10 我的一切仇敵都必羞愧,大大驚惶; 他們必要退後,忽然羞愧。
Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.

< 詩篇 6 >