< 詩篇 7 >

1 大衛指着便雅憫人古實的話,向耶和華唱的流離歌。 耶和華-我的上帝啊,我投靠你! 求你救我脫離一切追趕我的人,將我救拔出來!
Sigaiona nataon’ i Davida, izay nohirainy ho an’ i Jehovah noho ny tenin’ i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin’ izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
2 恐怕他們像獅子撕裂我, 甚至撕碎,無人搭救。
Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
3 耶和華-我的上帝啊,我若行了這事, 若有罪孽在我手裏,
Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
4 我若以惡報那與我交好的人- 連那無故與我為敵的,我也救了他,
Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana
5 就任憑仇敵追趕我,直到追上, 將我的性命踏在地下, 使我的榮耀歸於灰塵。 (細拉)
Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. (Sela)
6 耶和華啊,求你在怒中起來, 挺身而立,抵擋我敵人的暴怒! 求你為我興起!你已經命定施行審判!
Jehovah ô, mitsangàna amin’ ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
7 願眾民的會環繞你! 願你從其上歸於高位!
Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin’ ny avo eo amboniny Hianao,
8 耶和華向眾民施行審判; 耶和華啊,求你按我的公義和我心中的純正判斷我。
Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
9 願惡人的惡斷絕! 願你堅立義人! 因為公義的上帝察驗人的心腸肺腑。
Aoka ho tapaka ny ratsy ataon’ ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
10 上帝是我的盾牌; 他拯救心裏正直的人。
Ny ampingako dia ao amin’ Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
11 上帝是公義的審判者, 又是天天向惡人發怒的上帝。
Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan’ andro.
12 若有人不回頭,他的刀必磨快, 弓必上弦,預備妥當了。
Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,
13 他也預備了殺人的器械; 他所射的是火箭。
Ary ireo dia kendreny amin’ ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
14 試看惡人因奸惡而劬勞, 所懷的是毒害,所生的是虛假。
Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;
15 他掘了坑,又挖深了, 竟掉在自己所挖的阱裏。
Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin’ ny longoa nataony ihany izy;
16 他的毒害必臨到他自己的頭上; 他的強暴必落到他自己的腦袋上。
Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ ny loza nataony.
17 我要照着耶和華的公義稱謝他, 歌頌耶和華至高者的名。
Hidera an’ i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran’ i Jehovah Avo Indrindra.

< 詩篇 7 >