< 詩篇 5 >

1 大衛的詩,交與伶長。用吹的樂器。 耶和華啊,求你留心聽我的言語, 顧念我的心思!
Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny sodina. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
2 我的王我的上帝啊,求你垂聽我呼求的聲音! 因為我向你祈禱。
Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.
3 耶和華啊,早晨你必聽我的聲音; 早晨我必向你陳明我的心意,並要警醒!
Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.
4 因為你不是喜悅惡事的上帝, 惡人不能與你同居。
Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
5 狂傲人不能站在你眼前; 凡作孽的,都是你所恨惡的。
Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
6 說謊言的,你必滅絕; 好流人血弄詭詐的,都為耶和華所憎惡。
Haringanao ny mpiteny lainga; ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon’ i Jehovah ho zava-betaveta.
7 至於我,我必憑你豐盛的慈愛進入你的居所; 我必存敬畏你的心向你的聖殿下拜。
Fa izaho kosa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masìna amin’ ny fahatahorana anao aho.
8 耶和華啊,求你因我的仇敵,憑你的公義引領我, 使你的道路在我面前正直。
Jehovah ô, tariho amin’ ny fahamarinanao aho noho ny amin’ ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
9 因為,他們的口中沒有誠實; 他們的心裏滿有邪惡; 他們的喉嚨是敞開的墳墓; 他們用舌頭諂媚人。
Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.
10 上帝啊,求你定他們的罪! 願他們因自己的計謀跌倒; 願你在他們許多的過犯中把他們逐出, 因為他們背叛了你。
Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon’ ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben’ ny fahotany, satria efa niodina taminao.
11 凡投靠你的,願他們喜樂,時常歡呼, 因為你護庇他們; 又願那愛你名的人都靠你歡欣。
Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.
12 因為你必賜福與義人; 耶和華啊,你必用恩惠如同盾牌四面護衛他。
Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.

< 詩篇 5 >