< 詩篇 36 >

1 耶和華的僕人大衛的詩,交與伶長。 惡人的罪過在他心裏說: 我眼中不怕上帝!
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.
2 他自誇自媚, 以為他的罪孽終不顯露,不被恨惡。
Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
3 他口中的言語盡是罪孽詭詐; 他與智慧善行已經斷絕。
Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
4 他在床上圖謀罪孽, 定意行不善的道,不憎惡惡事。
Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
5 耶和華啊,你的慈愛上及諸天; 你的信實達到穹蒼。
Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
6 你的公義好像高山; 你的判斷如同深淵。 耶和華啊,人民、牲畜,你都救護。
Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
7 上帝啊,你的慈愛何其寶貴! 世人投靠在你翅膀的蔭下。
Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona.
8 他們必因你殿裏的肥甘得以飽足; 你也必叫他們喝你樂河的水。
Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
9 因為,在你那裏有生命的源頭; 在你的光中,我們必得見光。
Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
10 願你常施慈愛給認識你的人, 常以公義待心裏正直的人。
Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.
11 不容驕傲人的腳踐踏我; 不容凶惡人的手趕逐我。
Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy.
12 在那裏,作孽的人已經仆倒; 他們被推倒,不能再起來。
Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.

< 詩篇 36 >