< 詩篇 35 >

1 大衛的詩。 耶和華啊,與我相爭的,求你與他們相爭! 與我相戰的,求你與他們相戰!
Nataon’ i Davida.
2 拿着大小的盾牌, 起來幫助我。
Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
3 抽出槍來,擋住那追趕我的; 求你對我的靈魂說:我是拯救你的。
Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin’ ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
4 願那尋索我命的,蒙羞受辱! 願那謀害我的,退後羞愧!
Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
5 願他們像風前的糠, 有耶和華的使者趕逐他們。
Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan’ ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah handroaka azy.
6 願他們的道路又暗又滑, 有耶和華的使者追趕他們。
Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin’ i Jehovah hanenjika azy.
7 因他們無故地為我暗設網羅, 無故地挖坑,要害我的性命。
Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
8 願災禍忽然臨到他身上! 願他暗設的網纏住自己! 願他落在其中遭災禍!
Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin’ izany fandringanana izany indrindra izy.
9 我的心必靠耶和華快樂, 靠他的救恩高興。
Fa ny fanahiko kosa hifaly amin’ i Jehovah sy ho ravoravo amin’ ny famonjeny.
10 我的骨頭都要說: 耶和華啊,誰能像你 救護困苦人脫離那比他強壯的, 救護困苦窮乏人脫離那搶奪他的?
Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin’ izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin’ izay mamabo azy?
11 凶惡的見證人起來, 盤問我所不知道的事。
Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
12 他們向我以惡報善, 使我的靈魂孤苦。
Mamaly ratsy ahy ho solon’ ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
13 至於我,當他們有病的時候, 我便穿麻衣,禁食,刻苦己心; 我所求的都歸到自己的懷中。
Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin’ ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
14 我這樣行,好像他是我的朋友,我的弟兄; 我屈身悲哀,如同人為母親哀痛。
Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin’ alahelo toy ny fisaona reny aho.
15 我在患難中,他們卻歡喜,大家聚集。 我所不認識的那些下流人聚集攻擊我; 他們不住地把我撕裂。
Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;
16 他們如同席上好嬉笑的狂妄人向我咬牙。
Naman’ ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
17 主啊,你看着不理要到幾時呢? 求你救我的靈魂脫離他們的殘害! 救我的生命脫離少壯獅子!
Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao? Avereno ny fanahiko ho afaka amin’ ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin’ ny liona tanora.
18 我在大會中要稱謝你, 在眾民中要讚美你。
Hisaotra Anao eo amin’ ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ ny olona maro aho.
19 求你不容那無理與我為仇的向我誇耀! 不容那無故恨我的向我擠眼!
Aoka tsy hifalian’ izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
20 因為他們不說和平話, 倒想出詭詐的言語害地上的安靜人。
Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin’ ny tany.
21 他們大大張口攻擊我,說: 阿哈,阿哈,我們的眼已經看見了!
Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita’ ny masonay.
22 耶和華啊,你已經看見了,求你不要閉口! 主啊,求你不要遠離我!
Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
23 我的上帝我的主啊,求你奮興醒起, 判清我的事,伸明我的冤!
Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin’ ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin’ ny adiko.
24 耶和華-我的上帝啊,求你按你的公義判斷我, 不容他們向我誇耀!
Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian’ ireo aho.
25 不容他們心裏說:阿哈,遂我們的心願了! 不容他們說:我們已經把他吞了!
Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
26 願那喜歡我遭難的一同抱愧蒙羞! 願那向我妄自尊大的披慚愧,蒙羞辱!
Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
27 願那喜悅我冤屈得伸的歡呼快樂; 願他們常說:當尊耶和華為大! 耶和華喜悅他的僕人平安。
Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ ny mpanompony.
28 我的舌頭要終日論說你的公義, 時常讚美你。
Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.

< 詩篇 35 >