< 約伯記 35 >

1 以利戶又說:
Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 你以為有理, 或以為你的公義勝於上帝的公義,
Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’ Andriamanitra?
3 才說這與我有甚麼益處? 我不犯罪比犯罪有甚麼好處呢?
Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin’ ny fahotako?
4 我要回答你和在你這裏的朋友。
Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin’ ny namanao.
5 你要向天觀看, 瞻望那高於你的穹蒼。
Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
6 你若犯罪,能使上帝受何害呢? 你的過犯加增,能使上帝受何損呢?
Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
7 你若是公義,還能加增他甚麼呢? 他從你手裏還接受甚麼呢?
Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin’ ny tananao?
8 你的過惡或能害你這類的人; 你的公義或能叫世人得益處。
Mihatra amin’ ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin’ ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
9 人因多受欺壓就哀求, 因受能者的轄制便求救,
Noho ny habiazan’ ny fampahoriana no itarainan’ ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin’ ny mahery,
10 卻無人說:造我的上帝在哪裏? 他使人夜間歌唱,
Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ ny alina,
11 教訓我們勝於地上的走獸, 使我們有聰明勝於空中的飛鳥。
Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ ny biby ambonin’ ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ ny voro-manidina?
12 他們在那裏, 因惡人的驕傲呼求,卻無人答應。
Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy.
13 虛妄的呼求,上帝必不垂聽; 全能者也必不眷顧。
Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’ Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
14 何況你說,你不得見他; 你的案件在他面前,你等候他吧。
Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
15 但如今因他未曾發怒降罰, 也不甚理會狂傲,
Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
16 所以約伯開口說虛妄的話, 多發無知識的言語。
Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.

< 約伯記 35 >