< 約伯記 34 >

1 以利戶又說:
Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 你們智慧人要聽我的話; 有知識的人要留心聽我說。
Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
3 因為耳朵試驗話語, 好像上膛嘗食物。
Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.
4 我們當選擇何為是, 彼此知道何為善。
Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
5 約伯曾說:我是公義, 上帝奪去我的理;
Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’ Andriamanitra tamiko ny rariny;
6 我雖有理,還算為說謊言的; 我雖無過,受的傷還不能醫治。
Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
7 誰像約伯, 喝譏誚如同喝水呢?
Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’ i Joba, izay manaram-po amin’ ny famingavingana toy ny fisotro rano.
8 他與作孽的結伴, 和惡人同行。
Ary tonga naman’ ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ ny ratsy fanahy?
9 他說:人以上帝為樂, 總是無益。
Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’ Andriamanitra.
10 所以,你們明理的人要聽我的話。 上帝斷不致行惡; 全能者斷不致作孽。
Koa amin’ izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’ Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
11 他必按人所做的報應人, 使各人照所行的得報。
Fa ny nataon’ ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
12 上帝必不作惡; 全能者也不偏離公平。
Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
13 誰派他治理地, 安定全世界呢?
Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
14 他若專心為己, 將靈和氣收歸自己,
Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
15 凡有血氣的就必一同死亡; 世人必仍歸塵土。
Dia hiala avokoa ny ain’ ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ ny vovoka ny olona.
16 你若明理,就當聽我的話, 留心聽我言語的聲音。
Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
17 難道恨惡公平的可以掌權嗎? 那有公義的、有大能的,豈可定他有罪嗎?
Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
18 他對君王說:你是鄙陋的; 對貴臣說:你是邪惡的。
(Mety va ny miteny amin’ ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin’ ny zanak’ andriana: Ry ilay ratsy!),
19 他待王子不徇情面, 也不看重富足的過於貧窮的, 因為都是他手所造。
Dia Ilay tsy mizaha ny tavan’ ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ ny tànany avokoa izy rehetra.
20 在轉眼之間,半夜之中, 他們就死亡。 百姓被震動而去世; 有權力的被奪去非借人手。
Maty amin’ ny indray mipi-maso monja amin’ ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
21 上帝注目觀看人的道路, 看明人的腳步。
Fa ny mason’ Andriamanitra dia mijery ny alehan’ ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
22 沒有黑暗、陰翳能給作孽的藏身。
Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy.
23 上帝審判人,不必使人到他面前再三鑒察。
Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
24 他用難測之法打破有能力的人, 設立別人代替他們。
Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
25 他原知道他們的行為, 使他們在夜間傾倒滅亡。
Koa hita amin’ izany fa fantany ny asan’ ireo, ka dia mamono azy amin’ ny alina ho torotoro Izy.
26 他在眾人眼前擊打他們, 如同擊打惡人一樣。
Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ ny ratsy fanahy ireo eo imason’ ny vahoaka.
27 因為他們偏行不跟從他, 也不留心他的道,
Izao no nialan’ ireo tamin’ Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
28 甚至使貧窮人的哀聲達到他那裏; 他也聽了困苦人的哀聲。
Dia ny mba hahatonga ny fitarainan’ ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan’ ny ory.
29 他使人安靜,誰能擾亂呢? 他掩面,誰能見他呢? 無論待一國或一人都是如此-
Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,
30 使不虔敬的人不得作王, 免得有人牢籠百姓。
Mba tsy hanjakan’ ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
31 有誰對上帝說: 我受了責罰,不再犯罪;
Fa moa mba efa nisy niteny tamin’ Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;
32 我所看不明的,求你指教我; 我若作了孽,必不再作?
Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
33 他施行報應, 豈要隨你的心願、叫你推辭不受嗎? 選定的是你,不是我。 你所知道的只管說吧!
Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon’ ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.
34 明理的人和聽我話的智慧人必對我說:
Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
35 約伯說話沒有知識, 言語中毫無智慧。
Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
36 願約伯被試驗到底, 因他回答像惡人一樣。
Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ ny ratsy fanahy!
37 他在罪上又加悖逆; 在我們中間拍手, 用許多言語輕慢上帝。
Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin’ Andriamanitra.

< 約伯記 34 >