< 約伯記 27 >

1 約伯接着說:
Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2 上帝奪去我的理,全能者使我心中愁苦。 我指着永生的上帝起誓:
Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
3 我的生命尚在我裏面; 上帝所賜呼吸之氣仍在我的鼻孔內。
Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’ Andriamanitra.
4 我的嘴決不說非義之言; 我的舌也不說詭詐之語。
Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
5 我斷不以你們為是; 我至死必不以自己為不正!
Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
6 我持定我的義,必不放鬆; 在世的日子,我心必不責備我。
Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ ny androko iray monja aza.
7 願我的仇敵如惡人一樣; 願那起來攻擊我的,如不義之人一般。
Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
8 不敬虔的人雖然得利, 上帝奪取其命的時候還有甚麼指望呢?
Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny?
9 患難臨到他, 上帝豈能聽他的呼求?
Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
10 他豈以全能者為樂, 隨時求告上帝呢?
Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an’ Andriamanitra mandrakariva va izy?
11 上帝的作為,我要指教你們; 全能者所行的,我也不隱瞞。
Hampianatra anareo ny amin’ ny tànan’ Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin’ ny hevitry ny Tsitoha.
12 你們自己也都見過, 為何全然變為虛妄呢?
Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
13 上帝為惡人所定的分, 強暴人從全能者所得的報乃是這樣:
Izao no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lovan’ ny lozabe raisiny avy amin’ ny Tsitoha:
14 倘或他的兒女增多,還是被刀所殺; 他的子孫必不得飽食。
Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
15 他所遺留的人必死而埋葬; 他的寡婦也不哀哭。
Ny ankohonany sisa dia hasitrik’ Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;
16 他雖積蓄銀子如塵沙, 預備衣服如泥土;
Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
17 他只管預備,義人卻要穿上; 他的銀子,無辜的人要分取。
Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
18 他建造房屋如蟲做窩, 又如守望者所搭的棚。
Manao ny tranony tahaka ny an’ ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ ny mpiandry voly;
19 他雖富足躺臥,卻不得收殮, 轉眼之間就不在了。
Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
20 驚恐如波濤將他追上; 暴風在夜間將他颳去。
Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin’ ny tafio-drivotra izy;
21 東風把他飄去, 又颳他離開本處。
Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ ny fitoerany;
22 上帝要向他射箭,並不留情; 他恨不得逃脫上帝的手。
Asian’ Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin’ ny tànany izy;
23 人要向他拍掌, 並要發叱聲,使他離開本處。
Tehafin’ ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin’ ny fonenany.

< 約伯記 27 >