< 耶利米書 20 >

1 祭司音麥的兒子巴施戶珥作耶和華殿的總管,聽見耶利米預言這些事,
Ary Pasora, zanak’ i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’ i Jehovah, raha nandre an’ i Jeremia naminany izany zavatra izany,
2 他就打先知耶利米,用耶和華殿裏便雅憫高門內的枷,將他枷在那裏。
dia namely an’ i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin’ ny boloky hazo izay teo am-bavahadin’ i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan’ ny tranon’ i Jehovah.
3 次日,巴施戶珥將耶利米開枷釋放。於是耶利米對他說:「耶和華不是叫你的名為巴施戶珥,乃是叫你瑪歌珥‧米撒畢,
Ary nony ampitso, dia nesorin’ i Pasora tamin’ ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy nataon’ i Jehovah hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-misabiba.
4 因耶和華如此說:『我必使你自覺驚嚇,你也必使眾朋友驚嚇;他們必倒在仇敵的刀下,你也必親眼看見;我必將猶大人全交在巴比倫王的手中,他要將他們擄到巴比倫去,也要用刀將他們殺戮。
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an’ ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ ny sabatra.
5 並且我要將這城中的一切貨財和勞碌得來的,並一切珍寶,以及猶大君王所有的寶物,都交在他們仇敵的手中;仇敵要當作掠物帶到巴比倫去。
Ary ny harena rehetra amin’ ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan’ ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.
6 你這巴施戶珥和一切住在你家中的人都必被擄去;你和你的眾朋友,就是你向他們說假預言的,都必到巴比倫去,要死在那裏,葬在那裏。』」
Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babylona ianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin’ ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
7 耶和華啊,你曾勸導我, 我也聽了你的勸導。 你比我有力量,且勝了我。 我終日成為笑話, 人人都戲弄我。
Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
8 我每逢講論的時候,就發出哀聲, 我喊叫說:有強暴和毀滅! 因為耶和華的話終日成了我的凌辱、譏刺。
Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’ i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan’ andro.
9 我若說:我不再提耶和華, 也不再奉他的名講論, 我便心裏覺得 似乎有燒着的火閉塞在我骨中, 我就含忍不住,不能自禁。
Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin’ ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.
10 我聽見了許多人的讒謗, 四圍都是驚嚇; 就是我知己的朋友也都窺探我, 願我跌倒,說: 告他吧,我們也要告他! 或者他被引誘, 我們就能勝他, 在他身上報仇。
Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.
11 然而,耶和華與我同在, 好像甚可怕的勇士。 因此,逼迫我的必都絆跌, 不能得勝; 他們必大大蒙羞, 就是受永不忘記的羞辱, 因為他們行事沒有智慧。
Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany!
12 試驗義人、察看人肺腑心腸的萬軍之耶和華啊, 求你容我見你在他們身上報仇, 因我將我的案件向你稟明了。
Fa Hianao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
13 你們要向耶和華唱歌; 讚美耶和華! 因他救了窮人的性命脫離惡人的手。
Mihirà ho an’ i Jehovah, miderà an’ i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin’ ny malahelo tamin’ ny tanan’ ny mpanao ratsy.
14 願我生的那日受咒詛; 願我母親產我的那日不蒙福!
Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina anie ny andro izay niterahan’ ineny ahy!
15 給我父親報信說「你得了兒子」, 使我父親甚歡喜的, 願那人受咒詛。
Ho voaozona anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin’ ikaky nanao hoe: Tera-dahy ianao! Ka nahafaly azy indrindra.
16 願那人像耶和華所傾覆而不後悔的城邑; 願他早晨聽見哀聲, 晌午聽見吶喊;
Aoka Izany lehilahy izany ho toy ny tanàna izay noravan’ i Jehovah ka tsy nanenenany; Ary aoka izy handre fitarainana nony maraina sy akoralava nony mitataovovonana,
17 因他在我未出胎的時候不殺我, 使我母親成了我的墳墓, 胎就時常重大。
Satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy, hahatonga an’ Ineny ho fasako, ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.
18 我為何出胎見勞碌愁苦, 使我的年日因羞愧消滅呢?
Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany aman-kenatra ny androko!

< 耶利米書 20 >