< 耶利米書 21 >

1 耶和華的話臨到耶利米。那時,西底家王打發瑪基雅的兒子巴施戶珥和瑪西雅的兒子祭司西番雅去見耶利米,說:
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an’ i Pasora, zanak’ i Malkia, sy Zefania, zanak’ i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
2 「請你為我們求問耶和華;因為巴比倫王尼布甲尼撒來攻擊我們,或者耶和華照他一切奇妙的作為待我們,使巴比倫王離開我們上去。」
Masìna ianao, manontania amin’ i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ ireo aminay.
3 耶利米對他們說:「你們當對西底家這樣說:
Dia hoy Jeremia taminy: Lazaonareo amin’ i Zedekia hoe:
4 『耶和華-以色列的上帝如此說:我要使你們手中的兵器,就是你們在城外與巴比倫王和圍困你們的迦勒底人打仗的兵器翻轉過來,又要使這些都聚集在這城中。
Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan’ ny manda amin’ ny mpanjakan’ i Babylona sy amin’ ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ ity tanàna ity ireo.
5 並且我要在怒氣、忿怒,和大惱恨中,用伸出來的手,並大能的膀臂,親自攻擊你們;
Ary Izaho no hiady aminareo amin’ ny tanana ahinjitra sy amin’ ny sandry mahery ary amin’ ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
6 又要擊打這城的居民,連人帶牲畜都必遭遇大瘟疫死亡。
Ary hamely ny mponina amin’ ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin’ ny aretim-be mandringana izy.
7 以後我要將猶大王西底家和他的臣僕百姓,就是在城內,從瘟疫、刀劍、饑荒中剩下的人,都交在巴比倫王尼布甲尼撒的手中和他們仇敵,並尋索其命的人手中。巴比倫王必用刀擊殺他們,不顧惜,不可憐,不憐憫。這是耶和華說的。』
Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
8 「你要對這百姓說:『耶和華如此說:看哪,我將生命的路和死亡的路擺在你們面前。
Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan’ ny fiainana sy ny lalan’ ny fahafatesana:
9 住在這城裏的必遭刀劍、饑荒、瘟疫而死;但出去歸降圍困你們迦勒底人的必得存活,要以自己的命為掠物。
Izay mbola mitoetra eto amin’ ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.
10 耶和華說:我向這城變臉,降禍不降福;這城必交在巴比倫王的手中,他必用火焚燒。』」
Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity ka hodoroany amin’ ny afo.
11 「至於猶大王的家,你們當聽耶和華的話。
Ary henoy ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny taranaky ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny.
12 大衛家啊,耶和華如此說: 你們每早晨要施行公平, 拯救被搶奪的脫離欺壓人的手, 恐怕我的忿怒因你們的惡行發作, 如火着起,甚至無人能以熄滅。
Ry taranak’ i Davida, izao no lazain’ i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian’ ny ataonareo.
13 耶和華說:住山谷和平原磐石上的居民, 你們說:誰能下來攻擊我們? 誰能進入我們的住處呢? 看哪,我與你們為敵。
Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ ny vatolampy amin’ ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin’ ny fonenanay?
14 耶和華又說: 我必按你們做事的結果刑罰你們; 我也必使火在耶路撒冷的林中着起, 將她四圍所有的盡行燒滅。」
Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin’ ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

< 耶利米書 21 >