< 耶利米書 19 >

1 耶和華如此說:「你去買窯匠的瓦瓶,又帶百姓中的長老和祭司中的長老,
Izao no lazain’ i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin’ ny vahoaka sy anti-panahy amin’ ny mpisorona,
2 出去到欣嫩子谷、哈珥西的門口那裏,宣告我所吩咐你的話,
dia mivoaha ho any amin’ ny Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, izay eo anoloan’ ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,
3 說:『猶大君王和耶路撒冷的居民哪,當聽耶和華的話。萬軍之耶和華-以色列的上帝如此說:我必使災禍臨到這地方,凡聽見的人都必耳鳴;
ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin’ ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny
4 因為他們和他們列祖,並猶大君王離棄我,將這地方看為平常,在這裏向素不認識的別神燒香,又使這地方滿了無辜人的血,
satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’ andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ ny Joda, sady efa nameno ran’ ny marina ity tanàna ity
5 又建築巴力的邱壇,好在火中焚燒自己的兒子,作為燔祭獻給巴力。這不是我所吩咐的,不是我所提說的,也不是我心所起的意。
ary nanorina ny fitoerana avo ho an’ i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an’ i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
6 耶和華說:因此,日子將到,這地方不再稱為陀斐特和欣嫩子谷,反倒稱為殺戮谷。
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
7 我必在這地方使猶大和耶路撒冷的計謀落空,也必使他們在仇敵面前倒於刀下,並尋索其命的人手下。他們的屍首,我必給空中的飛鳥和地上的野獸作食物。
Ary hofoanako amin’ ity tanàna ity ny fisainan’ ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ ny fahavalony sy amin’ ny tànan’ izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia.
8 我必使這城令人驚駭嗤笑;凡經過的人,必因這城所遭的災驚駭嗤笑。
Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
9 我必使他們在圍困窘迫之中,就是仇敵和尋索其命的人窘迫他們的時候,各人吃自己兒女的肉和朋友的肉。』
Ary hampihinaniko ny nofon’ ny zananilahy sy ny nofon’ ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon’ ny namany avy izy eo amin’ ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren’ ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
10 「你要在同去的人眼前打碎那瓶,
Dia torotoroy eo imason’ ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,
11 對他們說:『萬軍之耶和華如此說:我要照樣打碎這民和這城,正如人打碎窯匠的瓦器,以致不能再囫圇。並且人要在陀斐特葬埋屍首,甚至無處可葬。
ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.
12 耶和華說:我必向這地方和其中的居民如此行,使這城與陀斐特一樣。
Dia toy izany no hataoko amin’ ity tanàna ity sy amin’ izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an’ i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah.
13 耶路撒冷的房屋和猶大君王的宮殿是已經被玷污的,就是他們在其上向天上的萬象燒香、向別神澆奠祭的宮殿房屋,都必與陀斐特一樣。』」
Ary ny tranon’ i Jerosalema sy ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an’ i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an’ izay andriamani-kafa.
14 耶利米從陀斐特-就是耶和華差他去說預言的地方-回來,站在耶和華殿的院中,對眾人說:
Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan’ i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah izy, dia nanao tamin’ ny vahoaka rehetra hoe:
15 「萬軍之耶和華-以色列的上帝如此說:我必使我所說的一切災禍臨到這城和屬城的一切城邑,因為他們硬着頸項不聽我的話。」
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.

< 耶利米書 19 >