< 以賽亞書 43 >

1 雅各啊,創造你的耶和華, 以色列啊,造成你的那位, 現在如此說: 你不要害怕!因為我救贖了你。 我曾提你的名召你,你是屬我的。
Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
2 你從水中經過,我必與你同在; 你詵過江河,水必不漫過你; 你從火中行過,必不被燒, 火焰也不着在你身上。
Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
3 因為我是耶和華-你的上帝, 是以色列的聖者-你的救主; 我已經使埃及作你的贖價, 使古實和西巴代替你。
Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
4 因我看你為寶為尊; 又因我愛你, 所以我使人代替你, 使列邦人替換你的生命。
Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon’ ny ainao.
5 不要害怕,因我與你同在; 我必領你的後裔從東方來, 又從西方招聚你。
Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
6 我要對北方說,交出來! 對南方說,不要拘留! 將我的眾子從遠方帶來, 將我的眾女從地極領回,
Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany,
7 就是凡稱為我名下的人, 是我為自己的榮耀創造的, 是我所做成,所造作的。
Dia izay rehetra antsoina amin’ ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
8 你要將有眼而瞎、 有耳而聾的民都帶出來!
Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina.
9 任憑萬國聚集; 任憑眾民會合。 其中誰能將此聲明, 並將先前的事說給我們聽呢? 他們可以帶出見證來,自顯為是; 或者他們聽見便說:這是真的。
Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.
10 耶和華說:你們是我的見證, 我所揀選的僕人。 既是這樣,便可以知道,且信服我, 又明白我就是耶和華。 在我以前沒有真神; 在我以後也必沒有。
Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
11 惟有我是耶和華; 除我以外沒有救主。
Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
12 我曾指示,我曾拯救,我曾說明, 並且在你們中間沒有別神。 所以耶和華說: 你們是我的見證。 我也是上帝;
Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
13 自從有日子以來,我就是上帝; 誰也不能救人脫離我手。 我要行事誰能阻止呢?
Eny, hatramin’ izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
14 耶和華-你們的救贖主、 以色列的聖者如此說: 因你們的緣故, 我已經打發人到巴比倫去; 並且我要使迦勒底人如逃民, 都坐自己喜樂的船下來。
Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ ny sambo izay efa nifaliany.
15 我是耶和華-你們的聖者, 是創造以色列的,是你們的君王。
Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
16 耶和華在滄海中開道, 在大水中開路,
Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manao lalana eny amin’ ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ ny rano manonja,
17 使車輛、馬匹、軍兵、勇士都出來, 一同躺下,不再起來; 他們滅沒,好像熄滅的燈火。
Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
18 耶和華如此說: 你們不要記念從前的事, 也不要思想古時的事。
Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
19 看哪,我要做一件新事; 如今要發現,你們豈不知道嗎? 我必在曠野開道路, 在沙漠開江河。
Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin’ ny tany sao no hasiako ony;
20 野地的走獸必尊重我; 野狗和鴕鳥也必如此。 因我使曠野有水, 使沙漠有河, 好賜給我的百姓、我的選民喝。
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin’ ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko.
21 這百姓是我為自己所造的, 好述說我的美德。
Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
22 雅各啊,你並沒有求告我; 以色列啊,你倒厭煩我。
Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely.
23 你沒有將你的羊帶來給我作燔祭, 也沒有用祭物尊敬我; 我沒有因供物使你服勞, 也沒有因乳香使你厭煩。
Tsy nitondranao ny zanak’ ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin’ ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin’ ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin’ ny ditin-kazo mani-pofona.
24 你沒有用銀子為我買菖蒲, 也沒有用祭物的脂油使我飽足; 倒使我因你的罪惡服勞, 使我因你的罪孽厭煩。
Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ ny saboran’ ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin’ ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin’ ny helokao.
25 惟有我為自己的緣故塗抹你的過犯; 我也不記念你的罪惡。
Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
26 你要提醒我,你我可以一同辯論; 你可以將你的理陳明,自顯為義。
Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
27 你的始祖犯罪; 你的師傅違背我。
Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko,
28 所以,我要辱沒聖所的首領, 使雅各成為咒詛, 使以色列成為辱罵。
Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masìna ho tsy masìna, sy nanolorako an’ i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa.

< 以賽亞書 43 >