< 以賽亞書 42 >

1 看哪,我的僕人- 我所扶持所揀選、心裏所喜悅的! 我已將我的靈賜給他; 他必將公理傳給外邦。
Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ ny jentilisa Izy.
2 他不喧嚷,不揚聲, 也不使街上聽見他的聲音。
Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
3 壓傷的蘆葦,他不折斷; 將殘的燈火,他不吹滅。 他憑真實將公理傳開。
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
4 他不灰心,也不喪膽, 直到他在地上設立公理; 海島都等候他的訓誨。
Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin’ ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
5 創造諸天,鋪張穹蒼, 將地和地所出的一併鋪開, 賜氣息給地上的眾人, 又賜靈性給行在其上之人的上帝耶和華, 他如此說:
Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ izay mandeha eo aminy:
6 我-耶和華憑公義召你, 必攙扶你的手,保守你, 使你作眾民的中保, 作外邦人的光,
Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
7 開瞎子的眼, 領被囚的出牢獄, 領坐黑暗的出監牢。
Hampahiratra ny mason’ ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin’ ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
8 我是耶和華,這是我的名; 我必不將我的榮耀歸給假神, 也不將我的稱讚歸給雕刻的偶像。
Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ ny sarin-javatra voasokitra.
9 看哪,先前的事已經成就, 現在我將新事說明, 這事未發以先,我就說給你們聽。
Ny amin’ ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.
10 航海的和海中所有的, 海島和其上的居民, 都當向耶和華唱新歌, 從地極讚美他。
Hianareo izay midìna any amin’ ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ ny faran’ ny tany.
11 曠野和其中的城邑, 並基達人居住的村莊都當揚聲; 西拉的居民當歡呼, 在山頂上吶喊。
Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan’ i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra izy.
12 他們當將榮耀歸給耶和華, 在海島中傳揚他的頌讚。
Aoka hanome voninahitra an’ i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin’ ny nosy.
13 耶和華必像勇士出去, 必像戰士激動熱心, 要喊叫,大聲吶喊, 要用大力攻擊仇敵。
Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon’ ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.
14 我許久閉口不言,靜默不語; 現在我要喊叫,像產難的婦人; 我要急氣而喘哮。
Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.
15 我要使大山小岡變為荒場, 使其上的花草都枯乾; 我要使江河變為洲島, 使水池都乾涸。
Hataoto mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, Ary hataoko tankina ny farihy.
16 我要引瞎子行不認識的道, 領他們走不知道的路; 在他們面前使黑暗變為光明, 使彎曲變為平直。 這些事我都要行, 並不離棄他們。
Hitarika ny jamba amin’ izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
17 倚靠雕刻的偶像, 對鑄造的偶像說: 你是我們的神; 這等人要退後,全然蒙羞。
Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin’ ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray.
18 你們這耳聾的,聽吧! 你們這眼瞎的,看吧! 使你們能看見。
Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
19 誰比我的僕人眼瞎呢? 誰比我差遣的使者耳聾呢? 誰瞎眼像那與我和好的? 誰瞎眼像耶和華的僕人呢?
Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan’ i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
20 你看見許多事卻不領會, 耳朵開通卻不聽見。
Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy mitandrina; Manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino.
21 耶和華因自己公義的緣故, 喜歡使律法為大,為尊。
Sitrak’ i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.
22 但這百姓是被搶被奪的, 都牢籠在坑中,隱藏在獄裏; 他們作掠物,無人拯救, 作擄物,無人說交還。
Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy; Voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio.
23 你們中間誰肯側耳聽此, 誰肯留心而聽,以防將來呢?
Iza aminareo no hihaino iza-ny? Iza no handre, dia hitandrina izany amin’ ny andro ho avy?
24 誰將雅各交出當作擄物, 將以色列交給搶奪的呢? 豈不是耶和華嗎? 就是我們所得罪的那位。 他們不肯遵行他的道, 也不聽從他的訓誨。
Iza no nanolotra an’ i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an’ ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;
25 所以,他將猛烈的怒氣和爭戰的勇力 傾倒在以色列的身上。 在他四圍如火着起,他還不知道, 燒着他,他也不介意。
Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin’ ny fony

< 以賽亞書 42 >