< 以賽亞書 38 >

1 那時希西家病得要死,亞摩斯的兒子先知以賽亞去見他,對他說:「耶和華如此說:你當留遺命與你的家,因為你必死不能活了。」
Ary tamin’ izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak’ i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
2 希西家就轉臉朝牆,禱告耶和華說:
Dia nitodika nankany amin’ ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin’ i Jehovah
3 「耶和華啊,求你記念我在你面前怎樣存完全的心,按誠實行事,又做你眼中所看為善的。」希西家就痛哭了。
hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
4 耶和華的話臨到以賽亞說:
Dia tonga tamin’ Isaia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
5 「你去告訴希西家說,耶和華-你祖大衛的上帝如此說:我聽見了你的禱告,看見了你的眼淚。我必加增你十五年的壽數;
Mandehana, ka lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao,
6 並且我要救你和這城脫離亞述王的手,也要保護這城。
sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
7 「我-耶和華必成就我所說的。我先給你一個兆頭,
Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’ i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
8 就是叫亞哈斯的日晷,向前進的日影往後退十度。」於是,前進的日影果然在日晷上往後退了十度。
Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan’ ny masoandro azy teo amin’ ny dialin’ i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany.
9 猶大王希西家患病已經痊癒,就作詩說:
Ny teny nosoratan’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin’ ny aretiny:
10 我說:正在我中年之日 必進入陰間的門; 我餘剩的年歲不得享受。 (Sheol h7585)
Hoy izaho: Amin’ izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa. (Sheol h7585)
11 我說:我必不得見耶和華, 就是在活人之地不見耶和華; 我與世上的居民不再見面。
Hoy izaho: Tsy mba hahita an’ i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an’ i Jehovah ao amin’ ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ ny mponina any amin’ ny fiainan-tsi-hita.
12 我的住處被遷去離開我, 好像牧人的帳棚一樣; 我將性命捲起, 像織布的捲布一樣。 耶和華必將我從機頭剪斷, 從早到晚,他要使我完結。
Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain’ ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
13 我使自己安靜直到天亮; 他像獅子折斷我一切的骨頭, 從早到晚,他要使我完結。
Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain’ ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
14 我像燕子呢喃, 像白鶴鳴叫, 又像鴿子哀鳴; 我因仰觀,眼睛困倦。 耶和華啊,我受欺壓, 求你為我作保。
Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin’ ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
15 我可說甚麼呢? 他應許我的,也給我成就了。 我因心裏的苦楚, 在一生的年日必悄悄而行。
Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin’ ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian’ ny aiko.
16 主啊,人得存活乃在乎此。 我靈存活也全在此。 所以求你使我痊癒,仍然存活。
Tompo ô, izany no iveloman’ ny olona, ary amin’ izany tokoa no iainan’ ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
17 看哪,我受大苦,本為使我得平安; 你因愛我的靈魂便救我脫離敗壞的坑, 因為你將我一切的罪扔在你的背後。
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
18 原來,陰間不能稱謝你, 死亡不能頌揚你; 下坑的人不能盼望你的誠實。 (Sheol h7585)
Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midìna any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. (Sheol h7585)
19 只有活人,活人必稱謝你, 像我今日稱謝你一樣。 為父的,必使兒女知道你的誠實。
Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
20 耶和華肯救我, 所以,我們要一生一世 在耶和華殿中 用絲弦的樂器唱我的詩歌。
Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon’ i Jehovah izahay Amin’ ny andro rehetra iainanay.
21 以賽亞說:「當取一塊無花果餅來,貼在瘡上,王必痊癒。」
Ary hoy Isaia: Makà ampempan’ aviavy, ary apetaho amin’ ny vay izany, mba ho sitrana izy.
22 希西家問說:「我能上耶和華的殿,有甚麼兆頭呢?」
Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon’ i Jehovah aho?

< 以賽亞書 38 >