< 以賽亞書 33 >

1 禍哉!你這毀滅人的, 自己倒不被毀滅; 行事詭詐的, 人倒不以詭詐待你。 你毀滅罷休了, 自己必被毀滅; 你行完了詭詐, 人必以詭詐待你。
Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
2 耶和華啊,求你施恩於我們; 我們等候你。 求你每早晨作我們的膀臂, 遭難的時候為我們的拯救。
Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin’ ny andro fahoriana.
3 喧嚷的響聲一發,眾民奔逃; 你一興起,列國四散。
Ny feon’ ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
4 你們所擄的必被斂盡, 好像螞蚱吃盡禾稼。 人要蹦在其上,好像蝗蟲一樣。
Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon’ ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
5 耶和華被尊崇,因他居在高處; 他以公平公義充滿錫安。
Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin’ ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
6 你一生一世必得安穩- 有豐盛的救恩, 並智慧和知識; 你以敬畏耶和華為至寶。
Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren’ ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an’ i Jehovah no rakitrao.
7 看哪,他們的豪傑在外頭哀號; 求和的使臣痛痛哭泣。
Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
8 大路荒涼,行人止息; 敵人背約, 藐視城邑, 不顧人民。
Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
9 地上悲哀衰殘; 黎巴嫩羞愧枯乾; 沙崙像曠野; 巴珊和迦密的樹林凋殘。
Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
10 耶和華說: 現在我要起來; 我要興起; 我要勃然而興。
Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin’ ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
11 你們要懷的是糠詷, 要生的是碎詡; 你們的氣就是吞滅自己的火。
Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
12 列邦必像已燒的石灰, 像已割的荊棘在火中焚燒。
Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ ny afo izy.
13 你們遠方的人當聽我所行的; 你們近處的人當承認我的大能。
Mihainoa ny amin’ izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
14 錫安中的罪人都懼怕; 不敬虔的人被戰兢抓住。 我們中間誰能與吞滅的火同住? 我們中間誰能與永火同住呢?
Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
15 行事公義、說話正直、 憎惡欺壓的財利、 擺手不受賄賂、 塞耳不聽流血的話, 閉眼不看邪惡事的,
Izay mandeha amin’ ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin’ ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
16 他必居高處; 他的保障是磐石的堅壘; 他的糧必不缺乏; 他的水必不斷絕。
Izy no honina ao amin’ ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
17 你的眼必見王的榮美, 必見遼闊之地。
Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
18 你的心必思想那驚嚇的事, 自問說:記數目的在哪裏呢? 平貢銀的在哪裏呢? 數戍樓的在哪裏呢?
Hotsaroan’ ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
19 你必不見那強暴的民, 就是說話深奧,你不能明白, 言語呢喃,你不能懂得的。
Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
20 你要看錫安-我們守聖節的城! 你的眼必見耶路撒冷為安靜的居所, 為不挪移的帳幕, 橛子永不拔出, 繩索一根也不折斷。
Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an’ i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
21 在那裏,耶和華必顯威嚴與我們同在, 當作江河寬闊之地; 其中必沒有盪槳搖櫓的船來往, 也沒有威武的船經過。
Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan’ ny sambo voizina, na hovakin’ ny sambo lehibe.
22 因為,耶和華是審判我們的; 耶和華是給我們設律法的; 耶和華是我們的王; 他必拯救我們。
Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
23 你的繩索鬆開: 不能栽穩桅杆, 也不能揚起篷來。 那時許多擄來的物被分了; 瘸腿的把掠物奪去了。
Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan’ andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin’ izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
24 城內居民必不說:我病了; 其中居住的百姓,罪孽都赦免了。
Tsy hisy amin’ ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.

< 以賽亞書 33 >