< 以賽亞書 32 >

1 看哪,必有一王憑公義行政; 必有首領藉公平掌權。
Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
2 必有一人像避風所和避暴雨的隱密處, 又像河流在乾旱之地, 像大磐石的影子在疲乏之地。
Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ ny rivotra sy ho fialofana amin’ ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin’ ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ ny tany mahana.
3 那能看的人,眼不再昏迷; 能聽的人,耳必得聽聞。
Ary tsy hikimpy ny mason’ izay mahita, ary ny sofin’ izay mandre dia hihaino.
4 冒失人的心必明白知識; 結吧人的舌必說話通快。
Ny fon’ izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan’ izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
5 愚頑人不再稱為高明; 吝嗇人不再稱為大方。
Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr’ andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be.
6 因為愚頑人必說愚頑話, 心裏想作罪孽, 慣行褻瀆的事, 說錯謬的話攻擊耶和華, 使飢餓的人無食可吃, 使口渴的人無水可喝。
Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin’ i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan’ ny noana hanina sy izay tsy hahazoan’ ny mangetaheta rano hosotroina.
7 吝嗇人所用的法子是惡的; 他圖謀惡計, 用謊言毀滅謙卑人; 窮乏人講公理的時候, 他也是這樣行。
Ary ratsy ny hafetsen’ ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo;
8 高明人卻謀高明事, 在高明事上也必永存。
Fa ny mitoetr’ andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
9 安逸的婦女啊,起來聽我的聲音! 無慮的女子啊,側耳聽我的言語!
Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
10 無慮的女子啊,再過一年多,必受騷擾; 因為無葡萄可摘, 無果子可收。
Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
11 安逸的婦女啊,要戰兢; 無慮的女子啊,要受騷擾。 脫去衣服,赤着身體, 腰束麻布。
Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
12 她們必為美好的田地 和多結果的葡萄樹,搥胸哀哭。
Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
13 荊棘蒺藜必長在我百姓的地上, 又長在歡樂的城中和一切快樂的房屋上。
Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
14 因為宮殿必被撇下, 多民的城必被離棄; 山岡望樓永為洞穴, 作野驢所喜樂的, 為羊群的草場。
Fa ho foana ny lapan’ ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman’ ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen’ ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian’ ny ondry aman’ osy,
15 等到聖靈從上澆灌我們, 曠野就變為肥田, 肥田看如樹林。
Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin’ ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
16 那時,公平要居在曠野; 公義要居在肥田。
Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin’ ny saha mahavokatra.
17 公義的果效必是平安; 公義的效驗必是平穩,直到永遠。
Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
18 我的百姓必住在平安的居所, 安穩的住處,平靜的安歇所。
Ary ny oloko hitoetra ao amin’ ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
19 ( 但要降冰雹打倒樹林; 城必全然拆平。)
Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.
20 你們在各水邊撒種、 牧放牛驢的有福了!
Sambatra izay mamafy eny amoron’ ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.

< 以賽亞書 32 >