< 何西阿書 9 >

1 以色列啊,不要像外邦人歡喜快樂; 因為你行邪淫離棄你的上帝, 在各穀場上如妓女喜愛賞賜。
Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin’ Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
2 穀場和酒醡都不夠以色列人使用; 新酒也必缺乏。
Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
3 他們必不得住耶和華的地; 以法蓮卻要歸回埃及, 必在亞述吃不潔淨的食物。
Tsy honina ao amin’ ny tanin’ i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
4 他們必不得向耶和華奠酒, 即便奠酒也不蒙悅納。 他們的祭物必如居喪者的食物, 凡吃的必被玷污; 因他們的食物只為自己的口腹, 必不奉入耶和華的殿。
Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an’ i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an’ ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an’ ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ i Jehovah.
5 在大會的日子, 到耶和華的節期,你們怎樣行呢?
Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin’ ny fotoam-pivavahana sy amin’ ny andro firavoravoana voatendrin’ i Jehovah?
6 看哪,他們逃避災難; 埃及人必收殮他們的屍首, 摩弗人必葬埋他們的骸骨。 他們用銀子做的美物上必長蒺藜; 他們的帳棚中必生荊棘。
Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan’ ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.
7 以色列人必知道降罰的日子臨近, 報應的時候來到。 民說:作先知的是愚昧; 受靈感的是狂妄, 皆因他們多多作孽,大懷怨恨。
Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr’ Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan’ ny helokao sy ny habetsahan’ ny fanoherana.
8 以法蓮曾作我上帝守望的; 至於先知,在他一切的道上作為捕鳥人的網羅, 在他上帝的家中懷怨恨。
Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin’ Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin’ ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon’ Andriamaniny.
9 以法蓮深深地敗壞, 如在基比亞的日子一樣。 耶和華必記念他們的罪孽, 追討他們的罪惡。
Fatra-panao ratsy toy ny tamin’ ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
10 主說:我遇見以色列如葡萄在曠野; 我看見你們的列祖如無花果樹上春季初熟的果子。 他們卻來到巴力‧毗珥專拜那可羞恥的, 就成為可憎惡的, 與他們所愛的一樣。
Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy.
11 至於以法蓮人,他們的榮耀必如鳥飛去, 必不生產,不懷胎,不成孕。
Ny amin’ i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan’ anaka, na ho torontoronina.
12 縱然養大兒女, 我卻必使他們喪子,甚至不留一個。 我離棄他們,他們就有禍了。
Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ ny handaozako azy!
13 我看以法蓮如泰爾栽於美地。 以法蓮卻要將自己的兒女帶出來, 交與行殺戮的人。
Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin’ ny tany mahafinaritra tahaka an’ i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ ny mpamono izy.
14 耶和華啊,求你加給他們- 加甚麼呢? 要使他們胎墜乳乾。
Jehovah ô, omeo azy ― inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.
15 耶和華說:他們一切的惡事都在吉甲; 我在那裏憎惡他們。 因他們所行的惡, 我必從我地上趕出他們去, 不再憐愛他們; 他們的首領都是悖逆的。
Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian’ ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
16 以法蓮受責罰, 根本枯乾,必不能結果, 即或生產, 我必殺他們所生的愛子。
Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
17 我的上帝必棄絕他們, 因為他們不聽從他; 他們也必飄流在列國中。
Harian’ Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin’ ny jentilisa izy.

< 何西阿書 9 >