< 何西阿書 8 >

1 你用口吹角吧! 敵人如鷹來攻打耶和華的家; 因為這民違背我的約, 干犯我的律法。
Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’ i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.
2 他們必呼叫我說: 我的上帝啊,我們以色列認識你了。
Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
3 以色列丟棄良善; 仇敵必追逼他。
Ataon’ ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
4 他們立君王,卻不由我; 他們立首領,我卻不認。 他們用金銀為自己製造偶像, 以致被剪除。
Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
5 撒馬利亞啊,耶和華已經丟棄你的牛犢; 我的怒氣向拜牛犢的人發作。 他們到幾時方能無罪呢?
Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?
6 這牛犢出於以色列, 是匠人所造的,並不是神。 撒馬利亞的牛犢必被打碎。
Fa avy tamin’ ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin’ i Samaria.
7 他們所種的是風,所收的是暴風; 所種的不成禾稼,就是發苗也不結實; 即便結實,外邦人必吞吃。
Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
8 以色列被吞吃; 現今在列國中,好像人不喜悅的器皿。
Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ ny jentilisa.
9 他們投奔亞述,如同獨行的野驢; 以法蓮賄買朋黨。
Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny
10 他們雖在列邦中賄買人, 現在我卻要聚集懲罰他們; 他們因君王和首領所加的重擔日漸衰微。
Ary na dia nanangy tany amin’ ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan’ ny mpanjakan’ ireo mpanapaka.
11 以法蓮增添祭壇取罪; 因此,祭壇使他犯罪。
Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
12 我為他寫了律法萬條, 他卻以為與他毫無關涉。
Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
13 至於獻給我的祭物, 他們自食其肉, 耶和華卻不悅納他們。 現在必記念他們的罪孽, 追討他們的罪惡; 他們必歸回埃及。
Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan’ izany, nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
14 以色列忘記造他的主,建造宮殿; 猶大多造堅固城, 我卻要降火焚燒他的城邑, 燒滅其中的宮殿。
Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin’ izany ny trano vaventiny.

< 何西阿書 8 >