< 但以理書 1 >

1 猶大王約雅敬在位第三年,巴比倫王尼布甲尼撒來到耶路撒冷,將城圍困。
Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, no nankanesan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2 主將猶大王約雅敬,並上帝殿中器皿的幾分交付他手。他就把這器皿帶到示拿地,收入他神的廟裏,放在他神的庫中。
Ary ny Tompo nanolotra an’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny fanaka sasany tao an-tranon’ Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin’ ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’ andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ ny trano firaketan’ andriamaniny.
3 王吩咐太監長亞施毗拿,從以色列人的宗室和貴冑中帶進幾個人來,
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Aspenaza, lehiben’ ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely, dia amin’ ny zanak’ andriana na amin’ ny ambony firazanana,
4 就是年少沒有殘疾、相貌俊美、通達各樣學問、知識聰明俱備、足能侍立在王宮裏的,要教他們迦勒底的文字言語。
dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ ny Kaldeana.
5 王派定將自己所用的膳和所飲的酒,每日賜他們一分,養他們三年。滿了三年,好叫他們在王面前侍立。
Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ ireo isan’ andro avy tamin’ ny haniny sy avy tamin’ ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ ny mpanjaka izy.
6 他們中間有猶大族的人:但以理、哈拿尼雅、米沙利、亞撒利雅。
Ary tamin’ ireo dia nisy avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
7 太監長給他們起名:稱但以理為伯提沙撒,稱哈拿尼雅為沙得拉,稱米沙利為米煞,稱亞撒利雅為亞伯尼歌。
Ary izy ireo nomen’ ny lehiben’ ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
8 但以理卻立志不以王的膳和王所飲的酒玷污自己,所以求太監長容他不玷污自己。
Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ ny anjara-hanina avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka, na tamin’ ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ ny lehiben’ ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
9 上帝使但以理在太監長眼前蒙恩惠,受憐憫。
Dia nataon’ Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin’ ilay lehiben’ ny tandapa Daniela.
10 太監長對但以理說:「我懼怕我主我王,他已經派定你們的飲食,倘若他見你們的面貌比你們同歲的少年人肌瘦,怎麼好呢?這樣,你們就使我的頭在王那裏難保。」
Ary hoy ilay lehiben’ ny tandapa tamin’ i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
11 但以理對太監長所派管理但以理、哈拿尼雅、米沙利、亞撒利雅的委辦說:
Dia hoy Daniela tamin’ ny mpiadidy, izay notendren’ ny lehiben’ ny tandapa ho mpiadidy an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12 「求你試試僕人們十天,給我們素菜吃,白水喝,
Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
13 然後看看我們的面貌和用王膳那少年人的面貌,就照你所看的待僕人吧!」
Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ ny hanin’ ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin’ ny mpanomponao.
14 委辦便允准他們這件事,試看他們十天。
Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
15 過了十天,見他們的面貌比用王膳的一切少年人更加俊美肥胖。
Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an’ ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka.
16 於是委辦撤去派他們用的膳,飲的酒,給他們素菜吃。
Dia najanon’ ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
17 這四個少年人,上帝在各樣文字學問上賜給他們聰明知識;但以理又明白各樣的異象和夢兆。
Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’ Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin’ ny fahitana sy ny nofy rehetra.
18 尼布甲尼撒王預定帶進少年人來的日期滿了,太監長就把他們帶到王面前。
Ary nony tonga ny andro nasain’ ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin’ ilay lehiben’ ny tandapa niditra teo anatrehan’ i Nebokadnezara izy.
19 王與他們談論,見少年人中無一人能比但以理、哈拿尼雅、米沙利、亞撒利雅,所以留他們在王面前侍立。
Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’ izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ireo.
20 王考問他們一切事,就見他們的智慧聰明比通國的術士和用法術的勝過十倍。
Ary ny amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ ny fanjakany rehetra aza izy.
21 到塞魯士王元年,但以理還在。
Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy mpanjaka.

< 但以理書 1 >