< 以西結書 1 >

1 當三十年四月初五日,以西結在迦巴魯河邊被擄的人中,天就開了,得見上帝的異象。
Ary tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahatelo-polo, raha teo amin’ ny babo teo amoron’ ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin’ Andriamanitra aho.
2 正是約雅斤王被擄去第五年四月初五日,
Tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana (taona fahadimy taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina mpanjaka izany)
3 在迦勒底人之地、迦巴魯河邊,耶和華的話特特臨到布西的兒子祭司以西結;耶和華的靈降在他身上。
dia tonga tamin’ i Ezekiela mpisorona, zanak’ i Bozy, ny tenin’ i Jehovah tany amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, teo amoron’ ny ony Kebara; ary ny tànan’ i Jehovah dia taminy teo.
4 我觀看,見狂風從北方颳來,隨着有一朵包括閃爍火的大雲,周圍有光輝;從其中的火內發出好像光耀的精金;
Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin’ ny afo dia nisy toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
5 又從其中顯出四個活物的形像來。他們的形狀是這樣:有人的形像,
Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan’ aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik’ olona.
6 各有四個臉面,四個翅膀。
Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
7 他們的腿是直的,腳掌好像牛犢之蹄,都燦爛如光明的銅。
Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian’ ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon’ ny varahina manganohano izy.
8 在四面的翅膀以下有人的手。這四個活物的臉和翅膀乃是這樣:
Ary nisy tanan’ olona teo ambanin’ ny elany teo amin’ ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
9 翅膀彼此相接,行走並不轉身,俱各直往前行。
Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy izy rehetra.
10 至於臉的形像:前面各有人的臉,右面各有獅子的臉,左面各有牛的臉,後面各有鷹的臉。
Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ olona; ary tamin’ ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ ny liona izy efatra, ary tamin’ ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’ omby, ary samy nanana ny tarehin’ ny voromahery koa izy efatra.
11 各展開上邊的兩個翅膀相接,各以下邊的兩個翅膀遮體。
Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin’ ny an’ ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
12 他們俱各直往前行。靈往哪裏去,他們就往那裏去,行走並不轉身。
Dia samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian’ ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
13 至於四活物的形像,就如燒着火炭的形狀,又如火把的形狀。火在四活物中間上去下來,這火有光輝,從火中發出閃電。
Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan’ aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ ny zava-manan’ aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
14 這活物往來奔走,好像電光一閃。
Ary ny zava-manan’ aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
15 我正觀看活物的時候,見活物的臉旁各有一輪在地上。
Ary hitako ny zava-manan’ aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin’ ny tany, teo anilan’ ny zava-manan’ aina teo anoloan’ ny tarehiny efatra.
16 輪的形狀和顏色好像水蒼玉。四輪都是一個樣式,形狀和作法好像輪中套輪。
Ny tarehin’ ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon’ ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin’ ny kodia.
17 輪行走的時候,向四方都能直行,並不掉轉。
Raha nandeha izy, dia nandeha tamin’ izay hitsin’ ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
18 至於輪輞,高而可畏;四個輪輞周圍滿有眼睛。
Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
19 活物行走,輪也在旁邊行走;活物從地上升,輪也都上升。
Ary raha nandeha ny zava-manan’ aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin’ ny tany ireo zava-manan’ aina, dia mba niainga koa ny kodia.
20 靈往哪裏去,活物就往那裏去;活物上升,輪也在活物旁邊上升,因為活物的靈在輪中。
Na aiza na aiza no tian’ ny fanahy ho naleha dia nalehan’ ireo koa; fa any koa no mba tian’ ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin’ ny kodia ny fanahin’ ny zava-manan’ aina.
21 那些行走,這些也行走;那些站住,這些也站住;那些從地上升,輪也在旁邊上升,因為活物的靈在輪中。
Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin’ ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin’ ny zava-manan’ aina dia tao amin’ ny kodia.
22 活物的頭以上有穹蒼的形像,看着像可畏的水晶,鋪張在活物的頭以上。
Ary teo ambonin’ ny lohan’ ny zava-manan’ aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon’ ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin’ ny lohany.
23 穹蒼以下,活物的翅膀直張,彼此相對;每活物有兩個翅膀遮體。
Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin’ ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.
24 活物行走的時候,我聽見翅膀的響聲,像大水的聲音,像全能者的聲音,也像軍隊鬨嚷的聲音。活物站住的時候,便將翅膀垂下。
Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ ny rano be, dia tahaka ny feon’ ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ ny miaramila mitoby;
25 在他們頭以上的穹蒼之上有聲音。他們站住的時候,便將翅膀垂下。
Ary nisy feo avy teo ambonin’ ny eloelo izay teo ambonin’ ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.
26 在他們頭以上的穹蒼之上有寶座的形像,彷彿藍寶石;在寶座形像以上有彷彿人的形狀。
Ary teo ambonin’ ny eloelo, izay teo ambonin’ ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin’ ny vato safira; ary teo ambonin’ ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik’ olona.
27 我見從他腰以上有彷彿光耀的精金,周圍都有火的形狀,又見從他腰以下有彷彿火的形狀,周圍也有光輝。
Ary nahita toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin’ ny afo manodidina azy; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra ka hatramin’ ny valahany no ho midìna dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
28 下雨的日子,雲中虹的形狀怎樣,周圍光輝的形狀也是怎樣。 這就是耶和華榮耀的形像。我一看見就俯伏在地,又聽見一位說話的聲音。
Toy ny tarehin’ avana amin’ ny rahona amin’ ny andro nisy ranon’ orana no tarehin’ ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr’ i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon’ ny anankiray niteny.

< 以西結書 1 >