< 以西結書 42 >

1 他帶我出來向北,到外院,又帶我進入聖屋;這聖屋一排順着空地,一排與北邊鋪石地之屋相對。
Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin’ ny efi-trano tandrifin’ ny kianja voatokana sady tandrifin’ ny trano eo amin’ ny avaratra,
2 這聖屋長一百肘,寬五十肘,有向北的門。
dia ho eo anoloan’ ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.
3 對着內院那二十肘寬之空地,又對着外院的鋪石地,在第三層樓上有樓廊對着樓廊。
Tandrifin’ ny roa-polo hakiho amin’ ny kianja anatiny sady tandrifin’ ny lampivato amin’ ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin’ ny trano fahatelo ambony indrindra.
4 在聖屋前有一條夾道,寬十肘,長一百肘。房門都向北。
Ary teo anoloan’ ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.
5 聖屋因為樓廊佔去些地方,所以上層比中下兩層窄些。
Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.
6 聖屋有三層,卻無柱子,不像外院的屋子有柱子;所以上層比中下兩層更窄。
Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin’ ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.
7 聖屋外,東邊有牆,靠着外院,長五十肘。
Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin’ ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan’ ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.
8 靠着外院的聖屋長五十肘。殿北面的聖屋長一百肘。
Fa ny lavan’ ireo efi-trano izay teo amin’ ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan’ ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.
9 在聖屋以下,東頭有進入之處,就是從外院進入之處。
Ary teo ambanin’ ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin’ ireo avy eo amin’ ny kianja ivelany.
10 向南在內院牆裏有聖屋,一排與鋪石地之屋相對,一排順着空地。
Ary nisy efi-trano koa teo amin’ ny sakan’ ny ampiantanin’ ny kianja teo amin’ ny atsinanana, tandrifin’ ny kianja voatokana sady tandrifin’ ny trano.
11 這聖屋前的夾道與北邊聖屋的夾道長寬一樣;出入之處與北屋門的樣式相同。
Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin’ ny efi-trano teo amin’ ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin’ ny an’ ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin’ ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;
12 正在牆前、夾道的東頭,有門可以進入,與向南聖屋的門一樣。
ary tahaka ny varavaran’ ny efi-trano eo amin’ ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin’ ny fiandohan’ ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan’ ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin’ ny atsinanana, raha miditra ao aminy.
13 他對我說:「順着空地的南屋北屋,都是聖屋;親近耶和華的祭司當在那裏吃至聖的物,也當在那裏放至聖的物,就是素祭、贖罪祭,和贖愆祭,因此處為聖。
Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan’ ny kianja voatokana, dia efi-trano masìna, hihinanan’ ny mpisorona izay manatona an’ i Jehovah ny zavatra masìna indrindra; any no hametrahany izay zavatra masìna indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masìna io fitoerana io.
14 祭司進去出了聖所的時候,不可直到外院,但要在聖屋放下他們供職的衣服,因為是聖衣;要穿上別的衣服才可以到屬民的外院。」
Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin’ ny fitoerana masìna ho any amin’ ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masìna izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masìna ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.
15 他量完了內殿,就帶我出朝東的門,量院的四圍。
Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin’ ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.
16 他用量度的竿量四圍,量東面五百肘,
Norefesiny tamin’ ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton’ ny volotara manodidina, raha amin’ ny volatara fandrefesana.
17 用竿量北面五百肘,
Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton’ ny volotara manodidina, raha amin’ ny volotara fandrefesana.
18 用竿量南面五百肘,
Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton’ ny volotara, raha amin’ ny volotara fandrefesana.
19 又轉到西面,用竿量五百肘。
Nitodika nankany amin’ ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton’ ny volotara tamin’ ny volotara fandrefesana.
20 他量四面,四圍有牆,長五百肘,寬五百肘,為要分別聖地與俗地。
Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton’ ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masìna sy ny tsy masìna.

< 以西結書 42 >