< 以西結書 41 >

1 他帶我到殿那裏量牆柱:這面厚六肘,那面厚六肘,寬窄與會幕相同。
Ary nentiny ho ao amin’ ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin’ ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin’ ny lafiny iray; sakan’ ny trano-lay izany.
2 門口寬十肘。門兩旁,這邊五肘,那邊五肘。他量殿長四十肘,寬二十肘。
Ary ny sakan’ ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin’ ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
3 他到內殿量牆柱,各厚二肘。門口寬六肘,門兩旁各寬七肘。
Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin’ ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan’ ny varavarana fito hakiho.
4 他量內殿,長二十肘,寬二十肘。他對我說:「這是至聖所。」
Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan’ ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masìna indrindra.
5 他又量殿牆,厚六肘;圍着殿有旁屋,各寬四肘。
Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin’ ny rindrin’ ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan’ ny paosin-trano dia efatra hakiho.
6 旁屋有三層,層疊而上,每層排列三十間。旁屋的梁木擱在殿牆坎上,免得插入殿牆。
Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin’ ny rindrin-trano izay ho an’ ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin’ ny rindrin’ ny trano.
7 這圍殿的旁屋越高越寬;因旁屋圍殿懸疊而上,所以越上越寬,從下一層,由中一層,到上一層。
Ary ny sakan’ ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon’ ny ambony amin’ ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon’ ny an-tenatenany amin’ ny ambany.
8 我又見圍着殿有高月臺。旁屋的根基,高足一竿,就是六大肘。
Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan’ ny paosin-trano, dia eran’ ilay volotara hatramin’ ny ifanohizany.
9 旁屋的外牆厚五肘。旁屋之外還有餘地。
Ny hatevin’ ny rindrina ivelany amin’ ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.
10 在旁屋與對面的房屋中間有空地,寬二十肘。
Ary ny teo anelanelan’ ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.
11 旁屋的門都向餘地:一門向北,一門向南。周圍的餘地寬五肘。
Ary ny varavaran’ ny paosin-trano dia mankao amin’ ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan’ ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.
12 在西面空地之後有房子,寬七十肘,長九十肘,牆四圍厚五肘。
Ary ny trano izay teo anoloan’ ilay kianja voatokana tamin’ ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin’ ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin’ ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.
13 這樣,他量殿,長一百肘,又量空地和那房子並牆,共長一百肘。
Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
14 殿的前面和兩旁的空地,寬一百肘。
Ary ny sakan’ ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
15 他量空地後面的那房子,並兩旁的樓廊,共長一百肘。
Dia norefesiny ny lavan’ ny trano teo anoloan’ ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin’ ny kianja
16 內殿、院廊、門檻、嚴緊的窗櫺,並對着門檻的三層樓廊,從地到窗櫺(窗櫺都有蔽子),
ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin’ izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin’ ny tany ka hatramin’ ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
17 直到門以上,就是到內殿和外殿內外四圍牆壁,都按尺寸用木板遮蔽。
ary ny eo ambonin’ ny varavarana, na amin’ ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin’ ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin’ ny ohatra avokoa.
18 牆上雕刻基路伯和棕樹。每二基路伯中間有一棵棕樹,每基路伯有二臉。
Ary nisy sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin’ ny hazo rofia dia teo anelanelan’ ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,
19 這邊有人臉向着棕樹,那邊有獅子臉向着棕樹,殿內周圍都是如此。
ka ny tarehin’ olona no nanatrika ny hazo rofia tamin’ ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin’ ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.
20 從地至門以上,都有基路伯和棕樹。殿牆就是這樣。
Hatramin’ ny tany ka hatrany ambonin’ ny varavarana no nasiana sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin’ ny rindrin’ ny ati-trano lehibe.
21 殿的門柱是方的。至聖所的前面,形狀和殿的形狀一樣。
Efa-joro ny tolan’ ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin’ ny fitoerana masìna dia nitovy tarehy tamin’ izany koa.
22 壇是木頭做的,高三肘,長二肘。壇角和壇面,並四旁,都是木頭做的。他對我說:「這是耶和華面前的桌子。」
Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan’ i Jehovah.
23 殿和至聖所的門各有兩扇。
Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masìna dia nisy lela-varavarana roa.
24 每扇分兩扇,這兩扇是摺疊的。這邊門分兩扇,那邊門也分兩扇。
Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin’ ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin’ ny anankiray.
25 殿的門扇上雕刻基路伯和棕樹,與刻在牆上的一般。在外頭廊前有木檻。
Ary nisy sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin’ ny varavaran’ ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin’ ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan’ ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.
26 廊這邊那邊都有嚴緊的窗櫺和棕樹;殿的旁屋和檻就是這樣。
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin’ ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan’ ny lavarangana fidirana sy teo amin’ ny efi-trano momba ny trano ary teo amin’ ny tokonana.

< 以西結書 41 >