< 歷代志下 6 >

1 那時,所羅門說: 耶和華曾說他必住在幽暗之處。
Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin’ ny aizim-pito Izy.
2 但我已經建造殿宇作你的居所, 為你永遠的住處。
Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
3 王轉臉為以色列會眾祝福,以色列會眾就都站立。
Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
4 所羅門說:「耶和華-以色列的上帝是應當稱頌的!因他親口向我父大衛所應許的,也親手成就了。
ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin’ i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
5 他說:『自從我領我民出埃及地以來,我未曾在以色列眾支派中選擇一城建造殿宇為我名的居所,也未曾揀選一人作我民以色列的君;
Hatramin’ ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran’ ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;
6 但選擇耶路撒冷為我名的居所,又揀選大衛治理我民以色列。』」
fa nifidy an’ i Jerosalema Aho hitoeran’ ny anarako, ary nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
7 所羅門說:「我父大衛曾立意要為耶和華-以色列上帝的名建殿,
Ary efa mby tao am-pon’ i Davida raiko ny hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
8 耶和華卻對我父大衛說:『你立意要為我的名建殿,這意思甚好;
Nefa hoy Jehovah tamin’ i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an’ ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
9 只是你不可建殿,惟你所生的兒子必為我名建殿。』
Kanefa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an’ ny anarako.
10 「現在耶和華成就了他所應許的話,使我接續我父大衛坐以色列的國位,是照耶和華所說的,又為耶和華-以色列上帝的名建造了殿。
Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’ i Davida raiko aho ary mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely tahaka ny efa nolazain’ i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
11 我將約櫃安置在其中,櫃內有耶和華的約,就是他與以色列人所立的約。」
Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran’ ny faneken’ i Jehovah, ilay nataony tamin’ ny Zanak’ isiraely.
12 所羅門當着以色列會眾,站在耶和華的壇前,舉起手來,
Ary Solomona nitsangana teo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany
13 (所羅門曾造一個銅臺,長五肘,寬五肘,高三肘,放在院中)就站在臺上,當着以色列的會眾跪下,向天舉手,
fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan’ ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin’ io izy ka nandohalika teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra
14 說:「耶和華-以色列的上帝啊,天上地下沒有神可比你的!你向那盡心行在你面前的僕人守約施慈愛;
ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an’ ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ ny fony rehetra,
15 向你僕人-我父大衛所應許的話現在應驗了。你親口應許,親手成就,正如今日一樣。
sady efa nahatanteraka tamin’ i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain’ ny vavanao izany, dia notanterahin’ ny tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
16 耶和華-以色列的上帝啊,你所應許你僕人-我父大衛的話說:『你的子孫若謹慎自己的行為,遵守我的律法,像你在我面前所行的一樣,就不斷人坐以色列的國位。』現在求你應驗這話。
Koa tanteraho amin’ i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
17 耶和華-以色列的上帝啊,求你成就向你僕人大衛所應許的話。
Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona amina aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin’ i Davida mpanomponao.
18 「上帝果真與世人同住在地上嗎?看哪,天和天上的天尚且不足你居住的,何況我所建的這殿呢?
Andriamanitra va dia honina amin’ ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
19 惟求耶和華-我的上帝垂顧僕人的禱告祈求,俯聽僕人在你面前的祈禱呼籲。
Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan’ ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon’ ny mpanomponao eto anatrehanao,
20 願你晝夜看顧這殿,就是你應許立為你名的居所;求你垂聽僕人向此處禱告的話。
mba hihiratan’ ny masonao andro aman’ alina amin’ ity trano ity, dia amin’ ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon’ ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
21 你僕人和你民以色列向此處祈禱的時候,求你從天上你的居所垂聽,垂聽而赦免。
Ary henoy ny fifonan’ ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.
22 「人若得罪鄰舍,有人叫他起誓,他來到這殿,在你的壇前起誓,
Raha misy olona manota amin’ ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan’ ny alitaranao amin’ ity trano ity izy,
23 求你從天上垂聽,判斷你的僕人,定惡人有罪,照他所行的報應在他頭上;定義人有理,照他的義賞賜他。
dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
24 「你的民以色列若得罪你,敗在仇敵面前,又回心轉意承認你的名,在這殿裏向你祈求禱告,
Raha resy eo anoloan’ ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin’ ity trano ity izy,
25 求你從天上垂聽,赦免你民以色列的罪,使他們歸回你賜給他們和他們列祖之地。
dia mihainoa any an-danitra, Hianao, ka mamelà ny fahotan’ ny Isiraely olonao, ary ampodio amin’ ny tany nomenao azy sy ny razany izy.
26 「你的民因得罪你,你懲罰他們,使天閉塞不下雨,他們若向此處禱告,承認你的名,離開他們的罪,
Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,
27 求你在天上垂聽,赦免你僕人和你民以色列的罪,將當行的善道指教他們,且降雨在你的地,就是你賜給你民為業之地。
dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan’ ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin’ ny taninao, izay nomenao ho lovan’ ny olonao.
28 「國中若有饑荒、瘟疫、旱風、霉爛、蝗蟲、螞蚱,或有仇敵犯境,圍困城邑,無論遭遇甚麼災禍疾病,
Raha misy mosary amin’ ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ ny taniny, dia ao amin’ ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
29 你的民以色列,或是眾人,或是一人,自覺災禍甚苦,向這殿舉手,無論祈求甚麼,禱告甚麼,
izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’ olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy,
30 求你從天上你的居所垂聽赦免。你是知道人心的,要照各人所行的待他們(惟有你知道世人的心),
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon’ ny zanak’ olombelona, )
31 使他們在你賜給我們列祖之地上一生一世敬畏你,遵行你的道。
mba hatahorany Anao sy handehanany amin’ ny lalanao amin’ izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ ny tany nomenao ny razanay.
32 「論到不屬你民以色列的外邦人,為你的大名和大能的手,並伸出來的膀臂,從遠方而來,向這殿禱告,
Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ ny tany lavitra noho ny amin’ ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
33 求你從天上你的居所垂聽,照着外邦人所祈求的而行,使天下萬民都認識你的名,敬畏你,像你的民以色列一樣,又使他們知道我建造的這殿是稱為你名下的。
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon’ ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ ity trano nataoko ity.
34 「你的民若奉你的差遣,無論往何處去與仇敵爭戰,向你所選擇的城與我為你名所建造的殿禱告,
Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka aminao manandrify ity tanana izay nofidinao ity sy ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao izy,
35 求你從天上垂聽他們的禱告祈求,使他們得勝。
dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
36 「你的民若得罪你(世上沒有不犯罪的人),你向他們發怒,將他們交給仇敵擄到或遠或近之地;
Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan’ ny fahavalony, ka dia entin’ ny mpamabo ho babo any amin’ ny tany na ho lavitra na ho akaiky izy,
37 他們若在擄到之地想起罪來,回心轉意,懇求你說:『我們有罪了,我們悖逆了,我們作惡了』;
ary mahatsiaro any amin’ ny tany nitondrana azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ ny tany izay nitondrana azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy,
38 他們若在擄到之地盡心盡性歸服你,又向自己的地,就是你賜給他們列祖之地和你所選擇的城,並我為你名所建造的殿禱告,
ka dia miverina aminao amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy ao amin’ ny tany nitondrana azy ho babo ary mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao,
39 求你從天上你的居所垂聽你民的禱告祈求,為他們伸冤,赦免他們的過犯。
dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota taminao.
40 「我的上帝啊,現在求你睜眼看,側耳聽在此處所獻的禱告。
Ankehitriny, ry Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin’ ity fitoerana ity.
41 耶和華上帝啊,求你起來, 和你有能力的約櫃同入安息之所。 耶和華上帝啊,願你的祭司披上救恩; 願你的聖民蒙福歡樂。
Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin’ ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran’ ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô, ary aoka ny olonao masìna hifaly amin’ ny soa.
42 耶和華上帝啊,求你不要厭棄你的受膏者, 要記念向你僕人大衛所施的慈愛。」
Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an’ i Davida mpanomponao.

< 歷代志下 6 >