< 歷代志下 7 >

1 所羅門祈禱已畢,就有火從天上降下來,燒盡燔祭和別的祭。耶和華的榮光充滿了殿;
Ary rehefa vita izany vavak’ i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr’ i Jehovah ny trano.
2 因耶和華的榮光充滿了耶和華殿,所以祭司不能進殿。
Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon’ i Jehovah, satria feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranony.
3 那火降下、耶和華的榮光在殿上的時候,以色列眾人看見,就在鋪石地俯伏叩拜,稱謝耶和華說: 耶和華本為善, 他的慈愛永遠長存!
Ary nony hitan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra ny nilatsahan’ ny afo sy ny voninahitr’ i Jehovah teo ambonin’ ny trano, dia niankohoka tamin’ ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an’ i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.
4 王和眾民在耶和華面前獻祭。
Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan’ i Jehovah.
5 所羅門王用牛二萬二千,羊十二萬獻祭。這樣,王和眾民為上帝的殿行奉獻之禮。
Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’ Andriamanitra.
6 祭司侍立,各供其職;利未人也拿着耶和華的樂器,就是大衛王造出來、藉利未人頌讚耶和華的。(他的慈愛永遠長存!)祭司在眾人面前吹號,以色列人都站立。
Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon’ i Jehovah, izay nataon’ i Davida mpanjaka hiderana an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain’ i Davida nidera an’ Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.
7 所羅門因他所造的銅壇容不下燔祭、素祭,和脂油,便將耶和華殿前院子當中分別為聖,在那裏獻燔祭和平安祭牲的脂油。
Ary Solomona nanamasina ny afovoan’ ny kianja izay teo anoloan’ ny tranon’ i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran’ ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon’ i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.
8 那時所羅門和以色列眾人,就是從哈馬口直到埃及小河,所有的以色列人都聚集成為大會,守節七日。
Ary tamin’ izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.
9 第八日設立嚴肅會,行奉獻壇的禮七日,守節七日。
Ary tamin’ ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.
10 七月二十三日,王遣散眾民;他們因見耶和華向大衛和所羅門與他民以色列所施的恩惠,就都心中喜樂,各歸各家去了。
Ary nony tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon’ i Jehovah tamin’ i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.
11 所羅門造成了耶和華殿和王宮;在耶和華殿和王宮凡他心中所要做的,都順順利利地做成了。
Toy izany no nahavitan’ i Solomona ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana, ary samy nataon’ i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-dapany.
12 夜間耶和華向所羅門顯現,對他說:「我已聽了你的禱告,也選擇這地方作為祭祀我的殿宇。
Ary Jehovah niseho tamin’ i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.
13 我若使天閉塞不下雨,或使蝗蟲吃這地的出產,或使瘟疫流行在我民中,
Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko,
14 這稱為我名下的子民,若是自卑、禱告,尋求我的面,轉離他們的惡行,我必從天上垂聽,赦免他們的罪,醫治他們的地。
raha ny oloko izay nantsoina amin’ ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
15 我必睜眼看、側耳聽在此處所獻的禱告。
Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin’ ity fitoerana ity;
16 現在我已選擇這殿,分別為聖,使我的名永在其中,我的眼、我的心也必常在那裏。
fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran’ ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.
17 你若在我面前效法你父大衛所行的,遵行我一切所吩咐你的,謹守我的律例典章,
Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’ i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
18 我就必堅固你的國位,正如我與你父大衛所立的約,說:『你的子孫必不斷人作以色列的王。』
dia hampitoeriko ny seza fiandrianan’ ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin’ i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin’ ny Isiraely ianao.
19 「倘若你們轉去丟棄我指示你們的律例誡命,去事奉敬拜別神,
Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany
20 我就必將以色列人從我賜給他們的地上拔出根來,並且我為己名所分別為聖的殿也必捨棄不顧,使他在萬民中作笑談,被譏誚。
dia hongotako amin’ ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra.
21 這殿雖然甚高,將來經過的人必驚訝說:『耶和華為何向這地和這殿如此行呢?』
Ary na dia avo aza ity trano ity, dia ho fitalanjonan’ izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
22 人必回答說:『是因此地的人離棄耶和華-他們列祖的上帝,就是領他們出埃及地的上帝,去親近別神,敬拜事奉他,所以耶和華使這一切災禍臨到他們。』」
Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin’ andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.

< 歷代志下 7 >