< 歷代志下 5 >

1 所羅門做完了耶和華殿的一切工,就把他父大衛分別為聖的金銀和器皿都帶來,放在上帝殿的府庫裏。
Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’ i Solomona ho amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary nampidirin’ i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’ i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra.
2 那時,所羅門將以色列的長老、各支派的首領,並以色列的族長招聚到耶路撒冷,要把耶和華的約櫃從大衛城-就是錫安-運上來。
Ary tamin’ izany dia novorin’ i Solomona ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehiben’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakavian’ ny Zanak’ isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy any Ziona, Tanànan’ i Davida.
3 於是以色列眾人在七月節前都聚集到王那裏。
Dia nivory ho any amin’ ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro firavoravoana tamin’ ny volana fahafito.
4 以色列眾長老來到,利未人便抬起約櫃。
Ary tonga koa ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,
5 祭司利未人將約櫃運上來,又將會幕和會幕的一切聖器具都帶上來。
dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masìna rehetra izay tao amin’ ny lay. Nampakarin’ ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
6 所羅門王和聚集到他那裏的以色列全會眾都在約櫃前獻牛羊為祭,多得不可勝數。
Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’ osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
7 祭司將耶和華的約櫃抬進內殿,就是至聖所,放在兩個基路伯的翅膀底下。
Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima;
8 基路伯張着翅膀在約櫃之上,遮掩約櫃和抬櫃的槓。
fa nivelatra tambonin’ ny fitoeran’ ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
9 這槓甚長,槓頭在內殿前可以看見,在殿外卻不能看見,直到如今還在那裏。
Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin’ ny fiara eo anoloan’ ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.
10 約櫃裏惟有兩塊石版,就是以色列人出埃及後,耶和華與他們立約的時候,摩西在何烈山所放的。除此以外,並無別物。
Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’ i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’ i Jehovah nanao fanekena tamin’ ny Zanak’ isiraely, tamin’ ny nivoahany avy tany Egypta.
11 當時,在那裏所有的祭司都已自潔,並不分班供職。
Ary nony nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masìna ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
12 他們出聖所的時候,歌唱的利未人亞薩、希幔、耶杜頓,和他們的眾子眾弟兄都穿細麻布衣服,站在壇的東邊,敲鈸、鼓瑟、彈琴,同着他們有一百二十個祭司吹號。
ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan’ ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
13 吹號的、歌唱的都一齊發聲,聲合為一,讚美感謝耶和華。吹號、敲鈸,用各種樂器,揚聲讚美耶和華說: 耶和華本為善, 他的慈愛永遠長存! 那時,耶和華的殿有雲充滿,
ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’ i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’ i Jehovah;
14 甚至祭司不能站立供職,因為耶和華的榮光充滿了上帝的殿。
ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tranon’ Andriamanitra.

< 歷代志下 5 >