< 撒母耳記上 30 >

1 第三日,大衛和跟隨他的人到了洗革拉。亞瑪力人已經侵奪南地,攻破洗革拉,用火焚燒,
Ary nony tonga teo Ziklaga Davida sy ny olony tamin’ ny andro fahatelo, dia, indro, ny Amalekita efa nanafika ny tany atsimo sy Ziklaga ka namely an’ i Ziklaga sy nandoro azy tamin’ ny afo;
2 擄了城內的婦女和其中的大小人口,卻沒有殺一個,都帶着走了。
ary efa namabo ny vehivavy sy izay rehetra tao izy, na lehibe na kely, nefa tsy nisy novonoiny na dia iray aza; fa nentiny ho babo ireo, ka lasa nandeha izy.
3 大衛和跟隨他的人到了那城,不料,城已燒毀,他們的妻子兒女都被擄去了。
Ary Davida sy ny olony tonga tao amin’ ny tanàna, ary, indro, efa levon’ ny afo ny tanàna; ary ny vadiny mbamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy efa lasan-ko babo.
4 大衛和跟隨他的人就放聲大哭,直哭得沒有氣力。
Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy.
5 大衛的兩個妻-耶斯列人亞希暖和作過拿八妻的迦密人亞比該,也被擄去了。
Ary voababo koa izy roa vavy vadin’ i Davida, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita.
6 大衛甚是焦急,因眾人為自己的兒女苦惱,說:「要用石頭打死他。」大衛卻倚靠耶和華-他的上帝,心裏堅固。
Ary ory indrindra Davida, fa ny olona nifampitaona hitora-bato azy, satria samy nalahelo ny zananilahy sy ny zananivavy ny olona rehetra; fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin’ i Jehovah Andriamaniny.
7 大衛對亞希米勒的兒子祭司亞比亞他說:「請你將以弗得拿過來。」亞比亞他就將以弗得拿到大衛面前。
Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara mpisorona, zanak’ i Ahimeleka: Masìna ianao, ento etỳ amiko ny efoda. Dia nentin’ i Abiatara teo amin’ i Davida ny efoda.
8 大衛求問耶和華說:「我追趕敵軍,追得上追不上呢?」耶和華說:「你可以追,必追得上,都救得回來。」
Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Henjehiko va izany jirika izany? Ho tratro va izy? Dia namaly azy Jehovah hoe: Enjeho izy, fa ho tratranao tokoa ary ho rarakao.
9 於是,大衛和跟隨他的六百人來到比梭溪;有不能前去的就留在那裏。
Dia lasa Davida sy ny enin-jato lahy izay nanaraka azy ka tonga teo amin’ ny renirano Besora, ary teo no nijanonan’ ny sasany.
10 大衛卻帶着四百人往前追趕,有二百人疲乏,不能過比梭溪,所以留在那裏。
Ary Davida sy ny efa-jato lahy no nanenjika; fa ny roan-jato lahy kosa, izay reraka ka tsy afaka nita ny renirano Besora, dia nijanona tany aoriana.
11 這四百人在田野遇見一個埃及人,就帶他到大衛面前,給他餅吃,給他水喝,
Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin’ i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy.
12 又給他一塊無花果餅,兩個葡萄餅。他吃了,就精神復原;因為他三日三夜沒有吃餅,沒有喝水。
Ary nomeny ampempan’ aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hateloan’ andro sy hateloan’ alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano.
13 大衛問他說:「你是屬誰的?你是哪裏的人?」他回答說:「我是埃及的少年人,是亞瑪力人的奴僕;因我三日前患病,我主人就把我撇棄了。
Ary hoy Davida taminy: An’ iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon’ ny Amalekita anankiray, aho; ary narian’ ny tompoko aho, fa narary afaka omaly.
14 我們侵奪了基利提的南方和屬猶大的地,並迦勒地的南方,又用火燒了洗革拉。」
Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an’ ny Keretita sy ny an’ i Joda ary ny tany atsimo izay an’ i Kaleba ary nandoro an’ i Ziklaga tamin’ ny afo.
15 大衛問他說:「你肯領我們到敵軍那裏不肯?」他回答說:「你要向我指着上帝起誓,不殺我,也不將我交在我主人手裏,我就領你下到敵軍那裏。」
Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midìna ho amin’ izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin’ Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan’ ny tompoko, dia hitondra anao midìna ho amin’ izany jirika izany aho.
16 那人領大衛下去,見他們散在地上,吃喝跳舞,因為從非利士地和猶大地所擄來的財物甚多。
Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran’ ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben’ ny babo rehetra izay azony tamin’ ny tanin’ ny Filistina sy ny tanin’ ny Joda.
17 大衛從黎明直到次日晚上,擊殺他們,除了四百騎駱駝的少年人之外,沒有一個逃脫的。
Ary Davida namely azy tamin’ iny takariva iny ka hatramin’ ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra.
18 亞瑪力人所擄去的財物,大衛全都奪回,並救回他的兩個妻來。
Dia rarak’ i Davida izay rehetra efa nobaboin’ ny Amalekita; ary dia azon’ i Davida koa ny vadiny roa.
19 凡亞瑪力人所擄去的,無論大小、兒女、財物,大衛都奪回來,沒有失落一個。
Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin’ izay nobaboin’ ireny; izany rehetra izany dia azon’ i Davida avokoa.
20 大衛所奪來的牛群羊群,跟隨他的人趕在原有的群畜前邊,說:「這是大衛的掠物。」
Ary Davida naka ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon’ i Davida.
21 大衛到了那疲乏不能跟隨、留在比梭溪的二百人那裏。他們出來迎接大衛並跟隨的人。大衛前來問他們安。
Ary Davida tonga teo amin’ ny roan-jato lahy, izay reraka ka tsy afaka nanaraka azy, fa najanony teo amin’ ny renirano Besora; ary dia nandeha ireo hitsena an’ i Davida sy ny olona nanaraka azy; ary nony tonga teo akaikin’ ny olona Davida, dia nanontany izay toeny.
22 跟隨大衛人中的惡人和匪類說:「這些人既然沒有和我們同去,我們所奪的財物就不分給他們,只將他們各人的妻子兒女給他們,使他們帶去就是了。」
Dia niteny ny olona sompatra sy tena ratsy fanahy rehetra avy nanaraka an’ i Davida ka nanao hoe: Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy hanomezantsika azy ny babo izay azontsika, afa-tsy ny vadiny aman-janany isany avy; fa ireo no aoka ho entiny, dia handeha izy.
23 大衛說:「弟兄們,耶和華所賜給我們的,不可不分給他們;因為他保佑我們,將那攻擊我們的敵軍交在我們手裏。
Fa hoy Davida: Aza manao izany amin’ izay nomen’ i Jehovah antsika, ry rahalahy; fa niaro antsika Izy, ary natolony teo an-tanantsika ny jirika izay tonga namely antsika.
24 這事誰肯依從你們呢?上陣的得多少,看守器具的也得多少;應當大家平分。」
Koa iza no hanaiky anareo amin’ izany? Fa tahaka ny anjaran’ izay nidina hiady ihany no ho anjaran’ izay nitoetra tamin’ ny entana: hiara-misalahy izy.
25 大衛定此為以色列的律例典章,從那日直到今日。
Dia izany no fanao hatramin’ izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin’ ny Isiraely izany ambaraka androany.
26 大衛到了洗革拉,從掠物中取些送給他朋友猶大的長老,說:「這是從耶和華仇敵那裏奪來的,送你們為禮物。」
Ary raha tonga tao Ziklaga Davida, dia mba nanaterany ho an’ ny loholon’ ny Joda sakaizany ny babo ka nataony hoe: Inty izay saotra ho anareo avy amin’ ny babo azo tamin’ ny fahavalon’ i Jehovah,
27 他送禮物給住伯特利的,南地拉末的,雅提珥的;
dia ho an’ izay ao Betela sy izay any Ramata amin’ ny tany atsimo sy ho an’ izay ao Jatira
28 住亞羅珥的,息末的,以實提莫的;
sy ho an’ izay ao Aroera sy ho an’ izay ao Sifmota sy ho an’ izay ao Estemoa
29 住拉哈勒的,耶拉篾各城的,基尼各城的;
sy ho an’ izay ao Rakala sy ho an’ izay any an-tanànan’ ny Jeramelita sy ho an’ izay any an-tanànan’ ny Kenita
30 住何珥瑪的,歌拉珊的,亞撻的;
sy ho an’ izay ao Horma sy ho an’ izay ao Korasana sy ho an’ izay ao Ataka
31 住希伯崙的,並大衛和跟隨他的人素來所到之處的人。
sy ho an’ izay ao Hebrona ary ho an’ izay any amin’ ny tany rehetra nandehandehanan’ i Davida sy ny olony.

< 撒母耳記上 30 >