< 撒母耳記上 31 >

1 非利士人與以色列人爭戰。以色列人在非利士人面前逃跑,在基利波有被殺仆倒的。
Ary ny Filistina niady tamin’ ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan’ ny Filistina ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2 非利士人緊追掃羅和他兒子們,就殺了掃羅的兒子約拿單、亞比拿達、麥基舒亞。
Ary ny Filistina nanenjika mafy an’ i Saoly sy ny zanany, ka matin’ ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak’ i Saoly.
3 勢派甚大,掃羅被弓箭手追上,射傷甚重,
Ary mafy ny ady tamin’ i Saoly, dia nifanehatra tamin’ ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.
4 就吩咐拿他兵器的人說:「你拔出刀來,將我刺死,免得那些未受割禮的人來刺我,凌辱我。」但拿兵器的人甚懼怕,不肯刺他;掃羅就自己伏在刀上死了。
Ary hoy Saoly tamin’ ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain’ i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
5 拿兵器的人見掃羅已死,也伏在刀上死了。
Ary rehefa hitan’ ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin’ ny sabany koa izy ka niara-maty taminy.
6 這樣,掃羅和他三個兒子,與拿他兵器的人,以及跟隨他的人,都一同死亡。
Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra.
7 住平原那邊並約旦河西的以色列人,見以色列軍兵逃跑,掃羅和他兒子都死了,也就棄城逃跑。非利士人便來住在其中。
Ary nony hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely teny an-dafin’ ny lohasaha sy teny an-dafin’ i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
8 次日,非利士人來剝那被殺之人的衣服,看見掃羅和他三個兒子仆倒在基利波山,
Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin’ ny maty ny Filistina, dia nahita an’ i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
9 就割下他的首級,剝了他的軍裝,打發人到 非利士地的四境,報信與他們廟裏的偶像和眾民;
Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin’ ny tranon’ ny sampiny sy amin’ ny olona.
10 又將掃羅的軍裝放在亞斯她錄廟裏,將他的屍身釘在伯‧珊的城牆上。
Dia napetrany tao amin’ ny tranon’ i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin’ ny màndan’ i Beti-sana.
11 基列‧雅比的居民聽見非利士人向掃羅所行的事,
Ary nony ren’ ny mponina tany Jabesi-gileada izay nataon’ ny Filistina tamin’ i Saoly,
12 他們中間所有的勇士就起身,走了一夜,將掃羅和他兒子的屍身從伯‧珊城牆上取下來,送到雅比那裏,用火燒了;
dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany teo amin’ ny màndan’ i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao.
13 將他們骸骨葬在雅比的垂絲柳樹下,就禁食七日。
Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin’ ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.

< 撒母耳記上 31 >