< 撒母耳記上 29 >

1 非利士人將他們的軍旅聚到亞弗;以色列人在耶斯列的泉旁安營。
Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan’ ny loharano ao Jezirela.
2 非利士人的首領各率軍隊,或百或千,挨次前進;大衛和跟隨他的人同着亞吉跟在後邊。
Ary ireo andrianan’ ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan’ arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin’ i Akisy.
3 非利士人的首領說:「這些希伯來人在這裏做甚麼呢?」亞吉對他們說:「這不是以色列王掃羅的臣子大衛嗎?他在我這裏有些年日了。自從他投降我直到今日,我未曾見他有過錯。」
Ary hoy ireo andrianan’ ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin’ ireo andrianan’ ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon’ i Saoly, mpanjakan’ ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?
4 非利士人的首領向亞吉發怒,對他說:「你要叫這人回你所安置他的地方,不可叫他同我們出戰,恐怕他在陣上反為我們的敵人。他用甚麼與他主人復和呢?豈不是用我們這些人的首級嗎?
Dia tezitra taminy ireo andrianan’ ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin’ ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin’ inona no hahazoan’ io sitraka amin’ ny tompony? Tsy amin’ ny lohan’ ireto olona ireto va?
5 從前以色列的婦女跳舞唱和說:『掃羅殺死千千,大衛殺死萬萬』,所說的不是這個大衛嗎?」
Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: “Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?”
6 亞吉叫大衛來,對他說:「我指着永生的耶和華起誓,你是正直人。你隨我在軍中出入,我看你甚好。自從你投奔我到如今,我未曾見你有甚麼過失;只是眾首領不喜悅你。
Ary Akisy niantso an’ i Davida ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, marina ianao, sady sitrako ny iarahanao miditra sy mivoaka amiko eto an-toby, fa tsy hitako izay tsininao hatrizay nahatongavanao teto amiko ka mandraka androany; nefa kosa tsy sitrak’ ireo andriana ireo ianao.
7 現在你可以平平安安地回去,免得非利士人的首領不歡喜你。」
Koa miverena, ary mandehana soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao izay tsy sitrak’ ireo andrianan’ ny Filistina.
8 大衛對亞吉說:「我做了甚麼呢?自從僕人到你面前,直到今日,你查出我有甚麼過錯,使我不去攻擊主-我王的仇敵呢?」
Fa hoy Davida tamin’ i Akisy: Inona no nataoko, ary inona no hitanao tamin’ ny mpanomponao hatrizay nitoerako tatỳ aminao ka mandraka androany, no tsy hahazoako mandeha hiady amin’ ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko?
9 亞吉說:「我知道你在我眼前是好人,如同上帝的使者一般;只是非利士人的首領說:『這人不可同我們出戰。』
Ary Akisy namaly an’ i Davida hoe: Fantatro fa tsara eo imasoko tahaka ny anjelin’ Andriamanitra ianao; nefa ireo andrianan’ ny Filistina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika hiady izy.
10 故此你和跟隨你的人,就是你本主的僕人,要明日早晨起來,等到天亮回去吧!」
Koa mifohaza maraina koa ianao mbamin’ ny mpanompon’ ny tomponao izay nanaraka anao; ary rehefa nifoha maraina ianareo, ka mazava ny andro, dia mandehana.
11 於是大衛和跟隨他的人早晨起來,回往非利士地去。非利士人也上耶斯列去了。
Ary Davida sy ny olony nifoha maraina koa handeha maraina hiverina any amin’ ny tanin’ ny Filistina. Ary ny Filistina dia niakatra nankany Jezirela.

< 撒母耳記上 29 >