< 路加福音 20 >

1 一天,耶穌在聖殿裏教訓百姓,及講喜訊的時候,司祭長、經師及長老前來,
Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
2 對祂說道:「請你告訴我們:你憑什麼權柄作這些事﹖或者是誰給了你這權柄﹖」
ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
3 耶穌回答他們說:「我也要問你們一句話,你們告訴我:
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
4 若望的洗禮是從天上來的,還是從人來的呢﹖」
Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona?
5 他們心裏忖度說:「如果我們說:是從天上來的,他必要說:你們為什麼不信他﹖
Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
6 如果我們說:是從人來的,眾百姓必要用石頭砸死我們,因為他們都確信若翰是先知。」
Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
7 於是他們回答說:「不知道是從那裏來的。」
Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
8 耶穌也給他們說:「我也不告訴你們:我憑什麼權柄作這些事。」
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
9 耶穌對百姓設了這個比喻:有一個人培植了一個葡萄園,把它租給園戶,就往遠方去,為時很久。
Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
10 到了時節,他便打發一個僕人去園戶那裏,為叫他們把園中應納的果實交給他。園戶卻打了他,放他空手回去。
Ary tamin’ ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin’ ny mpiasa tany izy mba handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
11 園主又打發了另一個僕人去,他們把那人也打了,並加以侮辱,放他空手回去。
Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
12 園主又打發第三個去,連這一個,他們也打傷,把他趕了出去。
Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
13 葡萄園的主人說:我要怎樣辦呢﹖我要打發我的愛子去,或許他們會敬重他。
Dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
14 誰佑園戶一看見,他便彼此商議說:這是承繼人,我們要殺掉,他好讓產業歸於我們。
Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
15 於是他們把他推到葡萄園外殺了。那麼,葡萄園的主人要怎樣處置他們呢﹖
Dia namoaka azy tany ivelan’ ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin’ izany?
16 他必要來,除滅這些園,戶把葡萄園租給別人。」眾人一聽這話,就說:「千萬不要這樣! 」
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
17 耶穌注視他們說:「那麼,經上所載:『匠人棄而不用的石頭,反而成了屋角的基石,』這句話是什麼意思﹖
Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro?
18 凡跌在這石頭上的,必被撞碎;這石頭落在誰身上,必把他壓碎。」
Izay rehetra potraka amin’ izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
19 經師及司祭長在那時刻就想下手逮捕耶穌,但是害怕百姓。他們明白這個比喻是暗指他們說的。
Ary tamin’ izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan’ ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany.
20 於是他們窺察耶穌,派遣奸細,假裝義人,要捉住他的語病,好把他交付於總督的司法權下。
Ary nizaha taratra an’ i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin’ ny teniny, hanolorany Azy ho amin’ ny hery sy ny fahefan’ ny governora.
21 他們就詰問他說:「師傅,我們知道你說話施教,都正直無私;又不看情面,但按真理教授天主的道路。
Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’ olona, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra:
22 敢問:我們給凱撒納丁稅,可以不可以﹖」
Mety va raha mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara izahay, sa tsia?
23 耶穌覺察出他們的詭計,便對他們說:
Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
24 「你們拿一個「德納」來給我看! 這「德納」上有誰的肖像,有誰的字號﹖」他們說:「凱撒的。」
Mampisehoa denaria amiko. An’ iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’ i Kaisara.
25 耶穌對他們說:「那麼,凱撒的就應歸還凱撒;天主的,就應歸還天主。」
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
26 他們在民眾在面前,不能抓到祂的語病,且驚奇祂的應對,遂噤口不言。
Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
27 否認復活的撤杜塞人人,有幾個前來問耶穌說:
Ary ny sasany tamin’ ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
28 「師傅,梅瑟給我們寫道:如果一個人的哥哥死了,撇下妻子而沒有子嗣,他的弟弟就應娶他的妻子,給他哥哥立嗣
Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
29 曾有兄弟七人,第一個娶了妻子,沒有子嗣就死了。
Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
30 第二個,
Ary ny faharoa
31 及第二個都娶過她為妻。七個人都是如此:沒有留下子嗣就死了。
sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’ izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
32 末後,連那婦人也死了。
Ary farany dia maty koa ravehivavy.
33 那麼,在復活的時候,這婦人是他們那一個的妻子﹖因為他們七個人都娶過她為妻。」
Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty ho vadin’ iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
34 耶穌對他們說:「今世之子也娶也嫁; (aiōn g165)
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’ izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; (aiōn g165)
35 但那堪得來世,及堪當由死者中復活的人,也不娶也不嫁; (aiōn g165)
fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina; (aiōn g165)
36 甚至他們也不能再死,因為他們相似天使,他們既是復活之子,也就是天主之子。
ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ ny anjely sady zanak’ Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ ny maty.
37 至論死者復活,梅瑟已在荊棘篇中指明了:祂稱為亞巴郎的天主,依撒格的天主及雅各伯的天主。
Ary Mosesy aza nanambara teo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’ i Jehovah hoe Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
38 祂不是死人的,而是活人的天主:所有人為祂都是生活的。」
Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ ny velona; fa velona ho an’ Andriamanitra avokoa izy rehetra.
39 有幾個經師應聲說:「師傅,你說的好。」
Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
40 從此,他們再不敢質問祂什麼了。
Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
41 耶穌問他們說:「人們怎麼稱默西亞達味之子呢。
Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’ i Davida?
42 達味自己曾在聖詠集上說:『上主對吾主說:你坐在我右邊,
Fa Davida ihany no milaza eo amin’ ny bokin’ ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
43 等我使你的仇敵變作你腳下的踏板。』
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ ny tongotrao.
44 達味既稱他為主,祂怎麼又是達味之子呢﹖」
Davida amin’ izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-zanany Azy?
45 眾百姓正聽的時候,耶穌對祂的門徒說:「
Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany teo anatrehan’ ny olona rehetra:
46 你們應慎防經師! 他們喜歡穿長袍遊行,喜愛街市上的致敬,會堂裏的高位,筵席上的首座。
Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain’ ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana,
47 他們吞沒寡婦們的家產,而又以長久的祈禱作掩飾:這些人必要遭受更重的處罰。」
ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.

< 路加福音 20 >