< 路加福音 12 >

1 時有成千累萬的群眾集合攏來,竟至互相踐踏。耶穌開始先對自己的門徒說:「你們要謹訪法利賽人的酵母,即他們的虛偽。
Ary tamin’ izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
2 但是沒有遮掩的事,將來不被揭露的;也沒有隱藏的事,將來不被知道的。
Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
3 因此,你們在暗處所說的,將來必要在明處被人聽見;在內室附耳所說的,將來必要在屋頂上張揚出來。
Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ ny maizina dia ho re eo amin’ ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ ny efi-trano dia hotorina eo amin’ ny tampon-trano.
4 我告訴你們做我朋友的人們,你們不要害怕那些殺害肉身,而後能更有所為的人。
Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
5 我要指給你們,誰是你們所應害怕的:你們應當害怕殺了以後,有權柄把人投入地獄的那一位;的確,我告訴你們: 應當害怕這一位! (Geenna g1067)
Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy. (Geenna g1067)
6 五隻麻雀不是賣兩文銅錢嗎﹖然而在天主前,他們中沒有一隻被遺忘的。
Tsy eranambatry va no vidin’ ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’ Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
7 就是你們的頭髮,也二被數過;你們不要害怕! 你們比許多麻雀尊貴多了。
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
8 我告訴你們: 凡在人前承認我的,人子將來也要在天主的使者前承認他;
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;
9 他在人前否認我的,將來在天主的使者前也要被否認。
Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra.
10 凡出言干犯人子的,尚可獲得赦免;但是褻瀆聖神的人,決不能獲得免。
Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’ olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
11 當人押送你們到會堂,到長官及有權柄的人面前時,你們不要思慮怎樣申辯,或說什麼話,
Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
12 因為在那個時刻,聖神必要教給你們應說的話。」
fa ny Fanahy Masìna no hampianatra anareo amin’ izany ora izany izay mety holazainareo.
13 人群中有一個人向耶穌說: 「師傅,請吩咐我的兄弟與我分家罷!」
Ary nisy anankiray teo amin’ ny vahoaka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
14 耶穌對他說: 「人哪,誰立了我做你們的判官及分家人呢﹖」
Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
15 遂對他們說:「你們要謹慎,躲避一切貪婪,因為一個人縱然富裕,他的生命並不在於他的資產。」
Ary hoy Izy tamin’ ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ ny fieremana ianareo; fa ny ain’ ny olona tsy miankina amin’ ny habetsahan’ ny zavatra ananany.
16 耶穌對他們設了一個比喻說: 「有一個富人,他的田地出產豐富。
Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin’ ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
17 他心裏想道: 我可怎麼辦呢﹖因為我已經沒有地方收藏我的物產。
Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
18 他遂說: 我要這樣做: 我要拆毀我的倉房,另建更大的,好在那裏藏一切榖類及財物。
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
19 以後,我要對我的靈魂說: 靈魂哪! 你存有大量的財物,足夠多年之用,你休息罷! 吃喝宴樂罷!
Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
20 天主卻給他說: 胡塗人哪! 今夜就要索回你的靈魂,你所備置的,將歸誰呢﹖
Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’ iza izay zavatra noharinao?
21 那為自己厚積財產而不在天主前玫富的,也是如此。」
Toy izany izay mihary harena ho an’ ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’ Andriamanitra.
22 耶穌對他的門徒說:「為此,我告訴你們: 不要為生命思慮吃什麼,也不要為身體思慮穿什麼,
Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ ny tenanaren, izay hotafinareo.
23 因為生命貴於食物,身體貴於衣服。
Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
24 你們看看烏鴉,牠們不播種,也不收割;牠們沒有庫房,也沒有倉廩,天主尚且養活牠們,你們比起飛鳥更要尊貴多少呢﹖
Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
25 你們中誰能運用思慮,使自己的壽數增加一肋呢﹖
Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza?
26 如果你們連極小的事還做不來,為什麼要思慮別的事呢﹖
Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ ny sisa?
27 你們看看百合花,是怎樣生長的: 它們不勞作,也不紡織;可是,我告訴你們:連撒羅滿在他極盛的榮花時所披戴的,也不如這花中的一朵。
Hevero ny fanirin’ ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin’ ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ ireny.
28 田野閶的野草,今天還在,明天就投入爐中,天主尚且這樣裝飾,何況你們呢! 小信德的人啊!
Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
29 你們不要謀求吃什麼,喝什麼,也不要憂愁掛心,
Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.
30 因為這一切都是世上的外邦人所尋求的,至於你們,你們的父知道你們需要這些。
Fa ny jentilisa amin’ izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
31 你們只要尋求他的國,這些自會加給你們。」
Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
32 「你們小小的羊群,不要害怕! 因為你們的父喜歡把天國賜給你們。
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
33 要變賣你們所有的來施捨,為你們自己備下經久不朽的錢囊,在天上備下取用不盡的寶藏;那裏盜賊不能走近,蠹蟲也不能損壞,
Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
34 因為你們的寶藏在那裏,你們的心也必在那裏。」
Fa izay itoeran’ ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
35 「要把你們的腰束起,把燈點著;
Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
36 應當如同那些等候自己的主人,由婚宴回來的人,為的是主人來到,一敲門,立刻就給他開門。
ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’ izay.
37 主人來到時,遇見醒寤著的那些僕人,是有福的。我實實在在告訴你們:主人要束上腰,請他們坐席,自己前來伺候他們。
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
38 他二更來也罷,三更來也罷,若遇見這樣,那些人才是有福的。
Ary na avy amin’ ny fiambenana faharoa amin’ ny alina izy, na avy amin’ ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
39 你們應該明白這一點: 如果家主知道盜賊何時要來,[他必定要醒寤],決不容自己的屋被挖穿。
Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
40 你們也應當準備,因為在你們不料想的時辰,人子就來了。」
Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ izay ora tsy ampoizinareo.
41 伯多祿說:「主,你講的這個比喻,是為我們呢,還是為眾人﹖」
Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
42 主說: 「究竟誰是那忠信及精明的管家,主人派他管理自己的家僕,按時配給食糧﹖
Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ ny fotoana?
43 主人來時,看見他如此行事,那僕人才是有福的。
Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan’ ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
44 我實實在在告訴你們: 主人必要委派他管理自己的一切財產。
Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
45 如果那個僕人心裏說: 我的主人必然遲來;他便開始烤打僕婢,也吃也喝也醉酒。
Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
46 在他不期待的日子,不知覺的時刻,那僕人的主人要來,必要剷除他,使他與不信者遭受同的命運。
dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny tsy mahatoky.
47 那知道主人的旨意,而偏不準備,或竟不奉行他旨意的僕人,必然要多受烤打;
Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon’ ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
48 那不知道而做了應受烤打之事的,要少受烤打。給誰的多,向誰要的也多;交托誰的多,向誰索取的也格外多。」
Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
49 「我來是為把火投在地上,我是多麼切望它已經燃燒起來!
Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady?
50 我有一種應受的洗禮,我是如何焦急,直到它得以完成!
Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
51 你們以為我來是給地上送和平嗎﹖不,我告訴你們: 而是來送分裂。
Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
52 因為從今以後,一家五口的,將要分裂: 三個反對兩個,兩個反對三個。
Fa hatramin’ izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
53 他們將要分裂: 父親反對兒子,兒子反對父親;母親反對女兒,女兒反對母親;婆母反對兒媳,兒媳反對婆母。」
Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
54 耶穌又向群眾說:「幾時你們看見雲彩由西方升起,立刻就說: 要下大雨了;果然是這樣。
Ary hoy Jesosy tamin’ ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin’ izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
55 幾時南風吹來,就說天要熱了;果然是這樣。
Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
56 假善人哪! 你們知道觀察地上及天上的氣象,怎麼不能觀察這個時機呢﹖
Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
57 你們為什麼不能由自己來辨別正義的事呢﹖
Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina?
58 當你同你的對頭去見官長時,尚在路上,你得設法與他了結,怕他拉你到法官前,法官把你交給刑役,而刑役把你押在獄中。
Fa raha miara-mandeha amin’ ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
59 我告訴你:非等還清最後的一分錢,斷不能從那裏出來。」
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

< 路加福音 12 >