< Skutky Apoštolů 13 >

1 Byli pak v církvi, kteráž byla v Antiochii, někteří proroci a učitelé, jako Barnabáš a Šimon, kterýž měl přijmí Černý, a Lucius Cyrenenský, a Manahen, kterýž byl spolu vychován s Heródesem tetrarchou, a Saul.
Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
2 A když oni služby Páně konali, a postili se, dí Duch svatý: Oddělte mi Barnabáše a Saule k dílu, k kterémuž jsem jich povolal.
Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masìna: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3 Tedy postíce se, a modlíce se, a vzkládajíce na ně ruce, propustili je.
Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
4 A oni posláni byvše od Ducha svatého, přišli do Seleucie, a odtud plavili se do Cypru.
Ary rehefa nirahin’ ny Fanahy Masìna izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
5 A přišedše do Salaminy, zvěstovali slovo Boží v školách Židovských; a měli s sebou i Jana k službě.
Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin’ Andriamanitra teny amin’ ny synagogan’ ny Jiosy; ary nitondra an’ i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
6 A když zchodili ten ostrov až do Páfu, nalezli jakéhos čarodějníka, falešného proroka Žida, jemuž jméno Barjezus,
Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
7 Kterýž byl u znamenitého vládaře Sergia Pavla, může opatrného. Ten povolav Barnabáše a Saule, žádal slyšeti slovo Boží.
izay nitoetra tao amin’ i Serygio Paolo, governoran’ ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an’ i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin’ Andriamanitra.
8 Ale protivil se jim Elymas, ten čarodějník, (nebo se tak vykládá jméno jeho, ) usiluje odvrátiti vládaře od víry.
Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
9 Tedy Saul, kterýž slove i Pavel, naplněn byv Duchem svatým, a pilně pohleděv na něj,
Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masìna, dia nibanjina azy
10 Řekl: Ó plný vší lsti a vší nešlechetnosti, synu ďáblův, nepříteli vší spravedlnosti, což nepřestaneš převraceti cest Páně přímých?
ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin’ ny Tompo va ialahy?
11 A aj, nyní ruka Páně nad tebou, a budeš slepý, nevida slunce až do času. A pojednou připadla na něj mrákota a tma, a jda vůkol, hledal, kdo by ho za ruku vedl.
Ary, indro, ankehitriny ny tanan’ ny Tompo hamely an’ ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’ izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
12 Tehdy vládař uzřev, co se stalo, uvěřil, divě se učení Páně.
Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin’ ny fampianaran’ ny Tompo.
13 A pustivše se od Páfu Pavel a ti, kteříž s ním byli, přišli do Pergen v Pamfylii. Jan pak odšed od nich, vrátil se do Jeruzaléma.
Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
14 Oni pak šedše z Pergen, přišli do Antiochie Pisidické, a všedše do školy v den sobotní, posadili se.
Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata ka nipetraka teo.
15 A když bylo po přečtení zákona a proroků, poslali k nim knížata školy té, řkouce: Muži bratří, máte-li úmysl jaké napomenutí učiniti k lidu, mluvte.
Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ ny olona, dia ataovy.
16 Tedy Pavel povstav, a rukou pokynuv, řekl: Muži Izraelští, a kteříž se bojíte Boha, slyšte.
Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an’ Andriamanitra, mihainoa;
17 Bůh lidu tohoto Izraelského vyvolil otce naše, a lidu povýšil, když byl pohostinu v zemi Egyptské, a v rameni vztaženém vyvedl je z ní.
Andriamanitr’ izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin’ ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
18 A za čas čtyřidceti let snášel jejich obyčeje na poušti.
Ary Izy nandefitra tamin’ ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona.
19 A zahladiv sedm národů v zemi Kanán, rozdělil losem mezi ně zemi jejich.
Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin’ ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin’ ireny izy
20 A potom, téměř za čtyři sta a padesáte let, dával jim soudce až do Samuele proroka.
tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin’ i Samoela mpaminany.
21 A v tom žádali za krále, i dal jim Bůh Saule, syna Cis, muže z pokolení Beniaminova, za čtyřidceti let.
Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen’ Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak’ i Kisy, lehilahy avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina.
22 A když toho zavrhl, vzbudil jim Davida krále, kterémuž svědectví dávaje, řekl: Nalezl jsem Davida, syna Jesse, muže podlé srdce svého, kterýž bude činiti všecku vůli mou.
Ary rehefa nanaisotra an’ i Saoly Izy, dia nanandratra an’ i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an’ i Davida, zanak’ i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.
23 Z jehož semene Bůh podlé zaslíbení vzbudil Izraelovi spasitele Ježíše,
Avy tamin’ ny taranak’ izany lehilahy izany no nitondran’ Andriamanitra an’ i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
24 Před jehož příštím kázal Jan křest pokání všemu lidu Izraelskému.
rehefa notorin’ i Jaona tamin’ ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan’ ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
25 A když Jan běh dokonával, pravil: Kteréhož se mne domníváte býti, nejsem já, ale aj, jdeť po mně, u jehož noh obuvi rozvázati nejsem hoden.
Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
26 Muži bratří, synové rodu Abrahamova, a kteříž mezi vámi bojí se Boha, vám slovo spasení tohoto posláno jest.
Ry rahalahy, taranak’ i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’ Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’ izao famonjena izao.
27 Nebo ti, kteříž přebývají v Jeruzalémě, a knížata jejich, toho Ježíše neznajíce, odsoudili, a tak hlasy prorocké, kteříž se na každou sobotu čtou, naplnili.
Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin’ ny nanamelohany Azy.
28 A žádné příčiny smrti na něm nenalezše, prosili Piláta, aby zamordován byl.
Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin’ i Pilato ihany izy hamonoana Ary.
29 A když dokonali všecko, což o něm psáno bylo, složivše s dřeva, do hrobu jej položili.
Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’ i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
30 Bůh pak vzkřísil jej z mrtvých.
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ ny maty.
31 Kterýž vidín jest po mnohé dni od těch, jenž spolu s ním byli přišli z Galilee do Jeruzaléma, kteříž jsou svědkové jeho k lidu.
Ary Izy niseho andro maro tamin’ izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin’ ny olona ankehitriny.
32 A my vám zvěstujeme to zaslíbení, kteréž se stalo otcům, že Bůh naplnil je nám synům jejich, vzkřísiv Ježíše;
Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ ny razana,
33 Jakož i v druhém žalmu napsáno jest: Syn můj jsi ty, já dnes zplodil jsem tebe.
dia ny nahatanterahan’ Andriamanitra izany tamin’ ny zanatsika, raha nanangana an’ i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin’ ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany.
34 A že jej z mrtvých vzkřísil, aby se již více nenavracoval k porušení, takto řekl: Dám vám svaté věci Davidovy věrné.
Ary ny amin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
35 Protož i jinde dí: Nedáš svatému svému viděti porušení.
Fa hoy Izy ao amin’ ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao.
36 David zajisté za svého věku poslouživ vůli Boží, usnul, a přiložen jest k otcům svým, a viděl porušení.
Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ ny razany izy ary tratry ny lò;
37 Ale ten, kteréhož Bůh vzkřísil, neviděl porušení.
fa Izay natsangan’ Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
38 Protož známo vám buď, muži bratří, že skrze toho zvěstuje se vám odpuštění hříchů.
Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
39 A to ode všech, od kterýchž jste nemohli skrze zákon Mojžíšův ospravedlněni býti, skrze tohoto, každý kdož věří, bývá ospravedlněn.
ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ ny lalàn’ i Mosesy.
40 Protož vizte, ať na vás nepřijde to, což jest v prorocích povědíno:
Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ ny mpaminany hoe:
41 Vizte potupníci, a podivte se, a na nic přiďte; nebo já dílo dělám za dnů vašich, dílo to, jemuž neuvěříte, byť vám kdo o něm vypravoval.
Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin’ ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza
42 A když vycházeli ze školy Židovské, prosili pohané, aby jim v druhou sobotu mluvili táž slova.
Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ ny Sabata manaraka.
43 A když bylo propuštěno shromáždění, šlo mnoho Židů, a nábožných znovu na víru obrácených za Pavlem a Barnabášem, kteříž promlouvajíce k nim, radili jim, aby trvali v milosti Boží.
Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an’ Andriamanitra no nanaraka an’ i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.
44 V druhou pak sobotu téměř všecko město sešlo se k slyšení slova Božího.
Ary nony tamin’ ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin’ Andriamanitra.
45 A Židé vidouce zástupy, naplněni jsou závistí, a odporovali tomu, co bylo praveno od Pavla, protivíce a rouhajíce se.
Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’ i Paoly, sady niteny ratsy.
46 Tedy svobodně Pavel a Barnabáš řekli: Vámť mělo nejprv mluveno býti slovo Boží, ale poněvadž je zamítáte, a za nehodné sebe soudíte věčného života, aj, obracíme se ku pohanům. (aiōnios g166)
Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay; (aiōnios g166)
47 Neboť nám tak přikázal Pán, řka: Položil jsem tebe světlo pohanům, abys ty byl spasení až do končin země.
fa izao no nandidian’ ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan’ ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin’ ny faran’ ny tany Hianao.
48 A slyševše to pohané, radovali se, a velebili slovo Páně; a uvěřili všickni, což jich koli bylo předzřízeno k životu věčnému. (aiōnios g166)
Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’ Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay dia nino. (aiōnios g166)
49 I rozhlašovalo se slovo Páně po vší té krajině.
Ary ny tenin’ ny Tompo dia naely eran’ izany tany rehetra izany.
50 Tedy Židé zbouřili ženy nábožné a poctivé a přední měšťany, a vzbudili protivenství proti Pavlovi a Barnabášovi, i vyhnali je z končin svých.
Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin’ i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ ny taniny.
51 A oni vyrazivše prach z noh svých na ně, přišli do Ikonie.
Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin’ ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
52 Učedlníci pak naplněni byli radostí a Duchem svatým.
Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masìna ny mpianatra.

< Skutky Apoštolů 13 >