< Skutky Apoštolů 14 >

1 I stalo se tolikéž v Ikonii, že vešli do školy Židovské, a mluvili, tak že uvěřilo i Židů i Řeků veliké množství.
Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa.
2 Ale kteříž z Židů nepovolní byli, ti zbouřili a zdráždili mysli pohanů proti bratřím.
Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy.
3 I byli tu za dlouhý čas, svobodně mluvíce v Pánu, kterýž svědectví vydával slovu milosti své, a působil to, aby se dáli divové a zázrakové skrze ruce jejich.
Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin’ ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin’ ny fahasoavany
4 I rozdělilo se množství města, a jedni byli s Židy, jiní s apoštoly.
Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
5 A když se obořili i pohané i Židé s knížaty svými, aby jim posměch učinili, a kamenovali je,
Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin’ ny loholony,
6 Srozuměvše tomu, utekli do měst Lykaonitských, do Lystry a do Derben, a do toho okolí,
ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin’ ny tany manodidina, izy,
7 A tu kázali evangelium.
dia nitory ny filazantsara tany.
8 Muž pak nějaký v Lystře, nemocný na nohy, sedával, byv chromý z života matky své, kterýž nikdy nechodil.
Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
9 Ten poslouchal Pavla mluvícího. Kterýž pohleděv naň, a vida, an věří, že uzdraven bude,
izy nahare an’ i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
10 Řekl velikým hlasem: Postav se přímě na nohách svých. I zchopil se a chodil.
dia niteny tamin’ ny feo mahery hoe: Mijoroa amin’ ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
11 Zástupové pak viděvše, co učinil Pavel, pozdvihli hlasu svého, Lykaonitsky řkouce: Bohové připodobnivše se lidem, sstoupili k nám.
Ary nony hitan’ ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon’ i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin’ ny fitenin’ i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik’ olona!
12 I nazvali Barnabáše Jupiterem, a Pavla Merkuriášem; nebo on mluvil slovo.
Ary ny anaran’ i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.
13 Tedy kněz Jupiterův, kterýž byl před městem jejich, přivedl býky s věnci před bránu, a chtěl s lidem oběti obětovati.
Ary ny mpisoron’ ilay Jopitera teo anoloan’ ny tanàna, mbamin’ ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
14 To když uslyšeli apoštolé, Barnabáš a Pavel, roztrhše sukně své, vyběhli k zástupům, křičíce,
Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan’ ny olona sady niantso nanao hoe:
15 A řkouce: Muži, což to činíte? Však i my lidé jsme, týmž bídám jako i vy poddáni, kteříž vám zvěstujeme, abyste se obrátili od těchto marností k Bohu živému, kterýž učinil nebe i zemi, i moře, i všecko, což v nich jest.
Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin’ izao zava-poana izao hanatona an’ Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny,
16 Kterýž za předešlých věků všech pohanů nechával, aby chodili po cestách svých,
Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin’ ny lalana tiany haleha tamin’ ny andro lasa.
17 Ačkoli proto nenechal sebe bez osvědčení, dobře čině, dávaje nám s nebe déšť a časy úrodné, naplňuje pokrmem a potěšením srdce naše.
Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ ny hanina sy ny fifaliana.
18 A to mluvíce, sotva spokojili zástupy, aby jim neobětovali.
Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
19 A v tom přišli od Antiochie a Ikonie Židé, kteříž navedše zástupy, a ukamenovavše Pavla, vytáhli před město, domnívavše se, že umřel.
Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’ i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
20 A když jej obstoupili učedlníci, vstal, a všel do města, a nazejtří odšel s Barnabášem do Derben.
Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
21 A kázavše evangelium městu tomu, a učedlníků mnoho získavše, navrátili se do Lystry a do Ikonie a do Antiochie,
Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin’ izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
22 Potvrzujíce duší učedlníků, a napomínajíce, aby trvali u víře, a že musíme skrze mnohá ssoužení vjíti do království Božího.
nampahery ny fanahin’ ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
23 A zřídivše jim, podlé daných hlasů, starší po církvech, a modlivše se s postem, poručili je Pánu, v kteréhož uvěřili.
Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ ny Tompo Izay efa ninoany.
24 A prošedše Pisidii, přišli do Pamfylie,
Ary rehefa nandeha namaky an’ i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.
25 A mluvivše slovo v Pergen, šli do Attalie.
Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.
26 A odtud plavili se do Antiochie, odkudž poručeni byli milosti Boží k dílu, kteréž vykonali.
Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ho amin’ ny asa izay novitainy.
27 A když tam přišli, a shromáždili církev, vypravovali, kteraké věci Bůh skrze ně učinil, a že otevřel pohanům dvéře víry.
Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ ny jentilisa.
28 I byli tu za nemalý čas s učedlníky.
Dia nitoetra elaela ihany tamin’ ny mpianatra izy.

< Skutky Apoštolů 14 >