< Skutky Apoštolů 3 >

1 Potom pak Petr a Jan vstupovali do chrámu v hodinu modlitebnou devátou.
Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan’ ny tempoly tamin’ ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
2 A muž nějaký, byv chromý od života matky své, nesen byl, kteréhož sázeli na každý den u dveří chrámových, kteréž slouly krásné, aby prosil za almužnu těch, kteříž vcházeli do chrámu.
Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan’ andro teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’ izay niditra teo an-kianjan’ ny tempoly;
3 Ten uzřev Petra a Jana, ani vcházeti měli do chrámu, prosil, aby mu almužnu dali.
nony nahita an’ i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan’ ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
4 I pohleděv naň Petr s Janem, řekl: Hleď na nás.
Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
5 A on pilně pohleděl na ně, naděje se, že něco vezme od nich.
Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
6 Tedy řekl Petr: Stříbra a zlata nemám, ale což mám, to tobě dám. Ve jménu Ježíše Krista Nazaretského vstaň a choď.
Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.
7 I ujav jej za ruku jeho pravou, pozdvihl ho, a hned utvrzeny jsou nohy jeho i kloubové.
Ary noraisiny tamin’ ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin’ izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
8 A zchytiv se, stál, a chodil, a všel s nimi do chrámu, chodě, a poskakuje, a chvále Boha.
Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan’ ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an’ Andriamanitra.
9 A viděl jej všecken lid, an chodí, a chválí Boha.
Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an’ Andriamanitra.
10 I poznali ho, že jest ten, kterýž na almužně sedával u dveří krásných chrámových. I naplněni jsou strachem a děšením nad tím, což se stalo jemu.
Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ ny vavahady Itsaraendrika eo amin’ ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
11 A když se ten uzdravený přídržel Petra a Jana, zběhl se k nim všecken lid do síňce, kteráž sloula Šalomounova, předěšen jsa.
Ary raha nihazona an’ i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin’ izy telo lahy teo amin’ ny fialofana izay atao hoe Fialofan’ i Solomona, ka talanjona.
12 To viděv Petr, promluvil k lidu: Muži Izraelští, co se divíte tomuto? Aneb co na nás tak pilně hledíte, jako bychom my svou vlastní mocí aneb nábožností učinili to, aby tento chodil?
Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin’ izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
13 Bůh Abrahamův a Izákův a Jákobův, Bůh otců našich, oslavil Syna svého Ježíše, kteréhož jste vy vydali, a odepřeli se před tváří Pilátovou, kterýž ho soudil býti hodného propuštění.
Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’ i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’ i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
14 Vy pak toho svatého a spravedlivého odepřeli jste se, a prosili jste za muže vražedlníka, aby vám byl dán,
Fa ianareo nandà Ilay Masìna sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15 Dárce pak života zamordovali jste. Kteréhož Bůh vzkřísil z mrtvých; čehož my svědkové jsme.
fa ny Tompon’ ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty, ary vavolombelon’ izany izahay.
16 A skrze víru ve jméno jeho, tohoto, kteréhož vy vidíte a znáte, utvrdilo jméno jeho. Víra, pravím, kteráž jest skrze něho, dala jemu celé zdraví toto před oblíčejem všech vás.
Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
17 Ale nyní, bratří, vím, že jste to z nevědomí učinili, jako i knížata vaše.
Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
18 Bůh pak to, což předzvěstoval skrze ústa všech proroků svých, že měl Kristus trpěti, tak naplnil.
Fa izany no nahatanterahan’ Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan’ ny Kristiny.
19 Protož čiňte pokání, a obraťte se, aby byli shlazeni hříchové vaši, když by přišli časové rozvlažení od tváři Páně,
Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo,
20 A poslal by toho, kterýž vám kázán jest, Ježíše Krista.
ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
21 Kteréhož zajisté musejí přijíti nebesa, až do času napravení všech věcí; což byl předpověděl Bůh skrze ústa všech svých svatých proroků od věků. (aiōn g165)
Ilay tsy maintsy horaisin’ ny lanitra mandra-pihavin’ ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny voalohany indrindra. (aiōn g165)
22 Mojžíš zajisté otcům řekl: Proroka vám vzbudí Pán Bůh váš z bratří vašich jako mne, jehož poslouchati budete ve všem, cožkoli bude mluviti vám.
Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin’ izay rehetra holazainy aminareo.
23 Staneť se pak, že každá duše, kteráž by neposlouchala toho proroka, vyhlazena bude z lidu.
Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ ny olona.
24 Ano i všickni proroci od Samuele a potomních, kteřížkoli mluvili, také o těchto dnech předzvěstovali.
Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’ i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
25 Vy jste synové proroků a úmluvy, kterouž učinil Bůh s otci našimi, řka Abrahamovi: V semeni tvém požehnány budou všecky čeledi země.
Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’ Andriamanitra tamin’ ny razanareo, raha hoy Izy tamin’ i Abrahama: Ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
26 Vám nejprvé Bůh, vzbudiv Syna svého Ježíše, poslal ho dobrořečícího vám, aby se jeden každý z vás odvrátil od nepravostí svých.
Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin’ ny fialanareo rehetra amin’ ny faharatsianareo isam-batan’ olona.

< Skutky Apoštolů 3 >