< Skutky Apoštolů 11 >

1 Uslyšeli pak apoštolé a bratří, kteříž byli v Judstvu, že by i pohané přijali slovo Boží.
Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin’ Andriamanitra.
2 A když přišel Petr do Jeruzaléma, domlouvali se naň ti, kteříž byli z obřezaných,
Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan’ ny voafora
3 Řkouce: K mužům neobřezaným všel jsi, a jedl jsi s nimi.
ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin’ ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
4 Tedy začav Petr, vypravoval jim pořád, řka:
Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin’ ny niandohany ka nanao hoe:
5 Byl jsem v městě Joppen, modle se. I viděl jsem u vytržení mysli vidění, nádobu nějakou sstupující jako prostěradlo veliké, za čtyři rohy spouštějící se s nebe, a přišla až ke mně.
Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
6 Do kteréž pohleděv pilně, spatřil jsem hovada zemská čtvernohá i zvířata, a zeměplazy, i ptactvo nebeské.
ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
7 Slyšel jsem k sobě také hlas řkoucí: Vstaň, Petře, bí a jez.
Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
8 I řekl jsem: Nikoli, Pane, nebo nic obecného aneb nečistého nikdy nevcházelo v ústa má.
Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin’ ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
9 I odpověděl mi hlas podruhé s nebe: Co Bůh očistil, neměj ty toho za nečisté.
Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra aza ataonao ho fady.
10 A to se stalo potřikrát. I vtrženo jest zase to všecko do nebe.
Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
11 A aj, hned té chvíle tři muži stáli u domu, v kterémž jsem byl, posláni jsouce ke mně z Cesaree.
Ary tamin’ izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan’ ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
12 I řekl mi Duch, abych šel s nimi, nic se nerozpakuje. A šlo se mnou i těchto šest bratří, a vešli jsme do domu muže toho.
Dia nasain’ ny Fanahy hiaraka tamin’ ireo aho ka tsy hizaha tavan’ olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
13 Kterýž vypravoval nám, kterak viděl anděla v domě svém, an se před ním postavil, a řekl jemu: Pošli do Joppen muže, a povolej Šimona, kterýž slove Petr.
Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
14 Onť tobě bude mluviti slova, skrze něž spasen budeš ty i všecken tvůj dům.
izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
15 Když jsem pak já mluviti začal, sstoupil Duch svatý na ně jako i na nás na počátku.
Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna tahaka ny tamintsika fahiny.
16 I rozpomenul jsem se na slovo Páně, kteréž byl pověděl: Jan zajisté křtil vodou, ale vy pokřtěni budete Duchem svatým.
Dia nahatsiaro ny tenin’ ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin’ ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.
17 Poněvadž tedy jednostejný dar dal jim Bůh jako i nám věřícím v Pána Ježíše Krista, i kdož jsem já byl, abych mohl zabrániti Bohu?
Koa raha mba homen’ Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’ i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an’ Andriamanitra?
18 To uslyšavše, spokojili se, a slavili Boha, řkouce: Tedy i pohanům Bůh pokání dal k životu.
Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen’ Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
19 Ti pak, kteříž se byli rozprchli příčinou ssoužení, kteréž se bylo stalo pro Štěpána, přišli až do Fenicen a Cypru a do Antiochie, žádnému nemluvíce slova než samým toliko Židům.
Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’ i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ ny olona izy, afa-tsy tamin’ ny Jiosy ihany.
20 A byli někteří z nich muži z Cypru a z Cyrénu, kteříž přišedše do Antiochie, mluvili Řekům, zvěstujíce Pána Ježíše.
Ary ny sasany tamin’ ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ ny jentilisa koa ka nitory an’ i Jesosy Tompo.
21 A byla ruka Páně s nimi, a veliký počet věřících obrátil se ku Pánu.
Ary ny tanan’ ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’ izay nino sy niverina ho amin’ ny Tompo.
22 I přišla pověst o tom k církvi, kteráž byla v Jeruzalémě. I poslali Barnabáše, aby šel až do Antiochie.
Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ ireo, dia naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
23 Kterýž přišed tam, a uzřev milost Boží, zradoval se, a napomínal všech, aby v úmyslu srdce trvali v Pánu.
Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.
24 Nebo byl muž dobrý, a plný Ducha svatého a víry. I přibyl veliký zástup Pánu.
Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masìna sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ ny Tompo.
25 Tedy odšel Barnabáš do Tarsu hledati Saule, a nalezna jej, přivedl ho do Antiochie.
Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’ i Saoly.
26 I byli přes celý rok při tom zboru, a učili zástup veliký, tak že nejprv tu v Antiochii učedlníci nazváni jsou křesťané.
Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ ny fiangonana hatramin’ ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ ny mpianatra hoe.
27 V těch pak dnech přišli z Jeruzaléma proroci do Antiochie.
Ary tamin’ izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
28 I povstav jeden z nich, jménem Agabus, oznamoval skrze Ducha, že bude hlad veliký po všem okršlku zemském. Kterýž i stal se za císaře Klaudia.
Ary nitsangana ny anankiray tamin’ ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin’ ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran’ ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin’ ny andron’ i Klaodio.
29 Tedy učedlníci, jeden každý podlé možnosti své, umínili poslati ku pomoci bratřím přebývajícím v Judstvu.
Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
30 Což i učinili, poslavše k starším skrze ruce Barnabáše a Saule.
Dia nataony izany, ary ny tànan’ i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ ny loholona.

< Skutky Apoštolů 11 >