Preface
Read
+
Publisher
Nainoia, Inc.
PO Box 462, Bellefonte, PA 16823
(814) 470-8028
Nainoia Inc, Publisher
LinkedIn/NAINOIA-INC
Third Party Publisher Resources
Request Custom Formatted Verses
Please contact us below
Submit your proposed corrections
I understand that the Aionian Bible republishes public domain and Creative Commons Bible texts and that volunteers may be needed to present the original text accurately. I also understand that apocryphal text is removed and most variant verse numbering is mapped to the English standard. I have entered my corrections under the verse(s) below. Proposed corrections to the Malagasy Bible 1865, 1-Chronicles Chapter 2 https://www.AionianBible.org/Bibles/Malagasy---Malagasy-Bible/1-Chronicles/2 1) Izao no zanakalahin’ Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona 2) sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera. 3) Ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak’ i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda, dia nahafaty azy Jehovah. 4) Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an’ i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin’ i Joda rehetra. 5) Ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola. 6) Ary ny zanakalahin’ i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany. 7) Ary ny zanakalahin’ i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona. 8) Ary ny zanakalahin’ i Etana dia Azaria. 9) Ary ny zanakalahin’ i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay; 10) ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona, lohan’ ny taranak’ i Joda; 11) ary Nasona niteraka an’ i Salma; ary Salma niteraka an’ i Boaza; 12) ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese; 13) ary Jese niteraka an’ i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo, 14) sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy, 15) sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy; 16) Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin’ i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela; 17) ary Abigaila niteraka an’ i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain’ i Amasa. 18) Ary Kaleba, zanakalahin’ i Hezrona, niteraka tamin’ i Azoba vadiny sy tamin’ i Jeriota. Izao no zanakalahin’ i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona. 19) Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain’ i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an’ i Hora taminy; 20) ary Hora niteraka an’ i Ory; ary Ory niteraka an’ i Bezalila. 21) Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin’ ny zanakavavin’ i Makira, rain’ i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an’ i Segoba taminy ravehivavy; 22) ary Segoba niteraka an’ i Jaïra, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin’ ny tany Gileada. 23) Ary nalain’ i Gesora sy Arama tamin’ ny Jairita ny tanàna madinika an’ i Jaïra mbamin’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an’ ny zanak’ i Makira, rain’ i Gileada. 24) Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin’ i Hezrona, dia niteraka an’ i Asora, razamben’ ny any Tekoa, taminy. 25) Ary ny zanakalahin’ i Jeramela, lahimatoan’ i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia. 26) Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin’ i Onama. 27) Ary ny zanakalahin’ i Rama, lahimatoan’ i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera. 28) Ary ny zanakalahin’ i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin’ i Samay dia Nadaba sy Abisora. 29) Ary ny anaran’ ny vadin’ i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an’ i Abana sy Molida taminy. 30) Ary ny zanakalahin’ i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda. 31) Ary ny zanakalahin’ i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin’ i Sesana dia Ahelay. 32) Ary ny zanakalahin’ i Jada, rahalahin’ i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera. 33) Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin’ i Jeramela. 34) Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany. 35) Ary ny zananivavy nomen’ i Sesana ho vadin’ i Jara mpanompony; ary izy niteraka an’ i Atahy taminy. 36) Ary Atahy niteraka an’ i Natana; ary Natana niteraka an’ i Zabada; 37) ary Zabada niteraka an’ i Efiala; ary Efiala niteraka an’ i Obeda; 38) ary Obeda niteraka an’ i Jeho; ary Jeho niteraka an’ i Azaria; 39) ary Azaria niteraka an’ i Haleza; ary Haleza niteraka an’ i Elasa; 40) ary Elasa niteraka an’ i Sismay; ary Sismay niteraka an’ i Saloma; 41) ary Saloma niteraka an’ i Jekamia; ary Jekamia niteraka an’ i Elisama. 42) Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, rahalahin’ i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben’ ny any Zifa, sy ny zanakalahin’ i Maresa, razamben’ ny any Hebrona. 43) Ary ny zanakalahin’ i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema. 44) Ary Sema niteraka an’ i Rahama, rain’ i Jorkeama, ary Rakema niteraka an’ i Samay; 45) ary ny zanakalahin’ i Samay dia Maona, ary Maona no razamben’ ny any Beti-zora; 46) ary Efaha, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an’ i Gazeza. 47) Ary ny zanakalahin’ i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa. 48) Maka, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Sabera sy Tirana. 49) Izy koa niteraka an’ i Safa, razamben’ ny any Madmana, sy Seva, razamben’ ny any Makbena sady razamben’ ny any Gibea; ary ny zanakavavin’ i Kaleba dia Aksa. 50) Izao no zanakalahin’ i Kaleba, zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata: Sobala, razamben’ ny any Kiriata-Jearima, 51) Salma, razamben’ ny any Betlehema, Harefa, razamben’ ny any Beti-gadera. 52) Ary Sobala, razamben’ ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota 53) ary ny fokon’ i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraïta; avy tamin’ ireo no nihavian’ ny Zoraïta sy ny Estaolita. 54) Ny zanakalahin’ i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraïta 55) ary ny fokon’ ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’ i Hamata, rain’ ny taranak’ i Rekaba. Additional comments?
Refresh Captcha
The world's first Holy Bible un-translation!