< Zakaria 12 >

1 Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ ny tany ary mamorona ny fanahin’ ny olona ao anatiny:
이스라엘에 관한 여호와의 말씀의 경고라 여호와 곧 하늘을 펴시며 땅의 터를 세우시며 사람 안에 심령을 지으신 자가 가라사대
2 Indro, Izaho hanao an’ i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an’ ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan’ izany ny hanaovana fahirano an’ i Jerosalema.
보라 내가 예루살렘으로 그 사면 국민에게 혼취케 하는 잔이 되게 할 것이라 예루살렘이 에워싸일 때에 유다에까지 미치리라
3 Ary amin’ izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an’ ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ ny tany.
그 날에는 내가 예루살렘으로 모든 국민에게 무거운 돌이 되게 하리니 무릇 그것을 드는 자는 크게 상할 것이라 천하 만국이 그것을 치려고 모이리라
4 Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin’ ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin’ ny taranak’ i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an’ ny firenena amin’ ny fahajambana.
여호와가 말하노라 그 날에 내가 모든 말을 쳐서 놀라게 하며 그 탄 자를 쳐서 미치게 하되 유다 족속은 내가 돌아보고 모든 국민의 말을 쳐서 눈이 멀게 하리니
5 Ary ireo lohany amin’ ny firenen’ i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamaniny.
유다의 두목들이 심중에 이르기를 예루살렘 거민이 그들의 하나님 만군의 여호와로 말미암아 힘을 얻었다 할지라
6 Amin’ izany andro izany ireo lohany amin’ ny firenen’ i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin’ ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin’ ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin’ ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
그 날에 내가 유다 두목들로 나무 가운데 화로 같게 하며 곡식단 사이에 횃불 같게 하리니 그들이 그 좌우에 에워싼 모든 국민을 사를 것이요 예루살렘 사람은 다시 그 본 곳 예루살렘에 거하게 되리라
7 Ary hovonjen’ i Jehovah aloha ny lain’ ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin’ ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak’ i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
여호와가 먼저 유다 장막을 구원하리니 이는 다윗의 집의 영광과 예루살렘 거민의 영광이 유다보다 더하지 못하게 하려 함이니라
8 Amin’ izany andro izany dia harovan’ i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin’ izany andro izany dia ho tahaka an’ i Davida; ary ny taranak’ i Davida ho tahaka an’ Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin’ i Jehovah eo anoloany.
그 날에 여호와가 예루살렘 거민을 보호하리니 그 중에 약한 자가 그 날에는 다윗 같겠고 다윗의 족속은 하나님 같고 무리 앞에 있는 여호와의 사자 같을 것이라
9 Amin’ izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an’ i Jerosalema Aho.
예루살렘을 치러 오는 열국을 그 날에 내가 멸하기를 힘쓰리라
10 Ary haidiko amin’ ny taranak’ i Davida sy amin’ ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ ny olona ny lahimatoany.
내가 다윗의 집과 예루살렘 거민에게 은총과 간구하는 심령을 부어 주리니 그들이 그 찌른바 그를 바라보고 그를 위하여 애통하기를 독자를 위하여 애통하듯 하며 그를 위하여 통곡하기를 장자를 위하여 통곡하듯 하리로다
11 Amin’ izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin’ ny lohasaha Megido.
그 날에 예루살렘에 큰 애통이 있으리니 므깃도 골짜기 하다드림몬에 있던 애통과 같을 것이라
12 Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian’ i Davida mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana; ny fianakavian’ i Natana mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana;
온 땅 각 족속이 따로 애통하되 다윗의 족속이 따로 하고 그 아내들이 따로 하며 나단의 족속이 따로 하고 그 아내들이 따로 하며
13 ny fianakavian’ ny taranak’ i Levy mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana; ny fianakavian’ i Simey mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana;
레위의 족속이 따로 하고 그 아내들이 따로 하며 시므이의 족속이 따로 하고 그 아내들이 따로 하며
14 ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin’ ireo mitokana.
모든 남은 족속도 각기 따로 하고 그 아내들이 따로 하리라

< Zakaria 12 >