< Jeremia 34 >

1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin’ ny tany izay nanjakany mbamin’ ny firenena rehetra izay namely an’ i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:
바벨론 왕 느부갓네살과 그 모든 군대와 그 통치하에 있는 땅의 모든 나라와 모든 백성이 예루살렘과 그 모든 성읍을 칠 때에 말씀이 여호와께로서 예레미야에게 임하니라 가라사대
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany amin’ ny afo izy;
이스라엘의 하나님 나 여호와가 이같이 말하노라 너는 가서 유다 왕 시드기야에게 고하여 이르기를 여호와의 말씀에 보라 내가 이 성을 바벨론 왕의 손에 붙이리니 그가 이 성을 불사를 것이라
3 ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.
네가 그 손에서 벗어나지 못하고 반드시 사로잡혀 그 손에 붙임을 입고 네 눈은 바벨론 왕의 눈을 볼 것이며 그 입은 네 입을 마주 대하여 말할 것이요 너는 바벨론으로 가리라
4 Nefa henoy ny tenin’ i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan’ ny Joda. Izao no lazain’ i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao.
그러나 유다 왕 시드기야여 나 여호와의 말을 들으라 나 여호와가 네게 대하여 이같이 말하노라 네가 칼에 죽지 아니하고
5 fa amin’ ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza izany, hoy Jehovah.
평안히 죽을 것이며 사람이 너보다 먼저 있은 네 열조 선왕에게 분향하던 일례로 네게 분향하며 너를 위하여 애통하기를 슬프다 주여 하리니 이는 내가 말하였음이니라 여호와의 말이니라
6 Dia nolazain’ i Jeremia mpaminany tamin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, tany Jerosalema izany teny rehetra izany.
선지자 예레미야가 이 모든 말씀을 예루살렘에서 유다 왕 시드기야에게 고하니라
7 fony ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona mbola namely an’ i Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin’ ny tanànan’ ny Joda.
때에 바벨론 왕의 군대가 예루살렘과 유다의 남은 모든 성을 쳤으니 곧 라기스와 아세가라 유다의 견고한 성읍 중에 이것들만 남았음이더라
8 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin’ ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy,
시드기야 왕이 예루살렘에 있는 모든 백성과 언약하고 자유를 선언한 후에 여호와께로서 말씀이 예레미야에게 임하니라
9 mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
그 언약은 곧 사람으로 각기 히브리 남녀 노비를 놓아 자유케 하고 그 동족 유다인으로 종을 삼지 못하게 한 것이라
10 Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.
이 언약에 참가한 방백들과 모든 백성이 각기 노비를 자유케하고 다시는 종을 삼지 말라 함을 듣고 순복하여 놓았더니
11 Kanjo taorian’ izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
후에 그들의 뜻이 변하여 자유케 하였던 노비를 끌어다가 다시 복종시켜 노비를 삼았더라
12 Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
그러므로 여호와의 말씀이 여호와께로서 예레미야에게 임하니라 가라사대
13 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin’ ny razanareo tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta hiala tamin’ ny trano nahandevozana nanao hoe:
이스라엘 하나님 나 여호와가 이같이 말하노라 내가 너희 선조를 애굽 땅 종 되었던 집에서 인도하여 낼 때에 그들과 언약을 세워 이르기를
14 Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny.
너희 형제 히브리 사람이 네게 팔렸거든 칠 년 만에 너희는 각기 놓으라 그가 육 년을 너를 섬겼은즉 그를 놓아 자유케 할지라 하였으나 너희 선조가 나를 듣지 아니하며 귀를 기울이지도 아니하였느니라
15 Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
그러나 너희는 이제 돌이켜 내 목전에 정당히 행하여 각기 이웃에게 자유를 선언하되 내 이름으로 일컬음을 받는 집에서 내 앞에서 언약을 세웠거늘
16 kanjo nivadika indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
너희가 뜻을 변하여 내 이름을 더럽히고 각기 놓아 그들의 마음대로 자유케 하였던 노비를 끌어다가 다시 너희에게 복종시켜서 너희 노비를 삼았도다
17 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an’ ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra amin’ ny tany ianareo.
그러므로 나 여호와가 이같이 말하노라 너희가 나를 듣지 아니하고 각기 형제와 이웃에게 자유를 선언한 것을 실행치 아니하였은즉 내가 너희에게 자유를 선언하여 너희를 칼과 염병과 기근에 붙이리라 나 여호와의 말이니라 내가 너희를 세계 열방 중에 흩어지게 할 것이며
18 Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin’ ny fanekena, izay nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan’ ny tapany izy,
송아지를 둘에 쪼개고 그 두 사이로 지나서 내 앞에 언약을 세우고 그 말을 실행치 아니하여 내 언약을 범한 너희를
19 eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan’ ny tapaky ny ombilahy kely,
곧 쪼갠 송아지 사이로 지난 유다 방백들과 예루살렘 백성들과 환관들과 제사장들과 이 땅 모든 백성을
20 dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy, ary ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
내가 너희 원수의 손과 너희 생명을 찾는 자의 손에 붙이리니 너희 시체가 공중의 새들과 땅 짐승의 식물이 될 것이며
21 Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy ary eo an-tànan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.
또 내가 유다 왕 시드기야와 그 방백들을 그 원수의 손과 그 생명을 찾는 자의 손과 너희에게서 떠나간 바벨론 왕의 군대의 손에 붙이리라
22 Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin’ ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin’ ny afo; ary ny tanànan’ ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
나 여호와가 말하노라 보라 내가 그들에게 명하여 이 성에 다시 오게 하리니 그들이 이 성을 쳐서 취하여 불사를 것이라 내가 유다 성읍들로 황무하여 거민이 없게 하리라

< Jeremia 34 >