< Romana 7 >

1 Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin’ izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
Ndugu zangu (sasa ninasema na wale wanaoijua sheria), je, hamjui ya kwamba sheria ina mamlaka tu juu ya mtu wakati akiwa hai?
2 Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ ny lalàna ho an’ ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ ny lalàn’ ny lahy izy.
Kwa mfano, mwanamke aliyeolewa amefungwa kwa mumewe wakati akiwa hai, lakini yule mume akifa, yule mwanamke amefunguliwa kutoka sheria ya ndoa.
3 Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
Hivyo basi, kama huyo mwanamke ataolewa na mwanaume mwingine wakati mumewe akiwa bado yuko hai, ataitwa mzinzi. Lakini kama mumewe akifa, mwanamke huyo hafungwi tena na sheria ya ndoa, naye akiolewa na mtu mwingine haitwi mzinzi.
4 Ary amin’ izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ ny lalàna noho ny tenan’ i Kristy, mba ho vadin’ ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ ny maty, mba hahavokarantsika ho an’ Andriamanitra.
Vivyo hivyo, ndugu zangu, ninyi mmeifia sheria kwa njia ya mwili wa Kristo, ili mweze kuwa mali ya mwingine, yeye ambaye alifufuliwa kutoka kwa wafu, ili tupate kuzaa matunda kwa Mungu.
5 Fa fony tao amin’ ny nofo isika, dia ny filan’ ny ota, izay nohetsehin’ ny lalàna, no niasa tao amin’ ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin’ ny fahafatesana.
Kwa maana tulipokuwa tunatawaliwa na asili ya dhambi, tamaa za dhambi zilizochochewa na sheria zilikuwa zikitenda kazi katika miili yetu, hivyo tulizaa matunda ya mauti.
6 Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ ny lalàna isika, satria maty ny amin’ izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ ny hahelan-tsoratra.
Lakini sasa, kwa kufia kile kilichokuwa kimetufunga kwanza, tumewekwa huru kutokana na sheria ili tutumike katika njia mpya ya Roho, wala si katika njia ya zamani ya sheria iliyoandikwa.
7 Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra.
Tuseme nini basi? Kwamba sheria ni dhambi? La, hasha! Lakini, isingekuwa kwa sababu ya sheria, nisingalijua dhambi. Nisingalijua kutamani ni nini kama sheria haikusema, “Usitamani.”
8 Fa io didy io dia nentin’ ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
Lakini dhambi kwa kupata nafasi katika amri, hii ikazaa ndani yangu kila aina ya tamaa. Kwa maana pasipo sheria, dhambi imekufa.
9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
Wakati fulani nilikuwa hai pasipo sheria, lakini amri ilipokuja, dhambi ikawa hai, nami nikafa.
10 Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
Nikaona kwamba ile amri iliyokusudiwa kuleta uzima, ilileta mauti.
11 Fa io didy io dia nentin’ ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
Kwa maana dhambi kwa kupata nafasi katika amri, ilinidanganya, na kupitia katika hiyo amri, ikaniua.
12 Ka dia masìna tokoa ny lalàna, ary masìna ny didy sady marina no tsara.
Hivyo basi, sheria yenyewe ni takatifu, na amri ni takatifu na ya haki, tena ni njema.
13 Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon’ ny lalàna.
Je, kile kilicho chema basi kilikuwa mauti kwangu? La, hasha! Lakini ili dhambi itambuliwe kuwa ni dhambi, ilileta mauti ndani yangu kupitia kile kilichokuwa chema, ili kwa njia ya amri dhambi izidi kuwa mbaya kupita kiasi.
14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ ny ota.
Kwa maana tunajua kwamba sheria ni ya kiroho, lakini mimi ni wa kimwili nikiwa nimeuzwa kwenye utumwa wa dhambi.
15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
Sielewi nitendalo, kwa maana lile ninalotaka kulitenda, silitendi, lakini ninatenda lile ninalolichukia.
16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
Basi kama ninatenda lile nisilotaka kutenda, ni kwamba ninakubali kuwa sheria ni njema.
17 Ary amin’ izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
Lakini, kwa kweli si mimi tena nitendaye lile nisilotaka bali ni ile dhambi ikaayo ndani yangu.
18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
Kwa maana ninafahamu kwamba hakuna jema lolote likaalo ndani yangu, yaani, katika asili yangu ya dhambi. Kwa kuwa nina shauku ya kutenda lililo jema, lakini siwezi kulitenda.
19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
Sitendi lile jema nitakalo kutenda, bali lile baya nisilolitaka, ndilo nitendalo.
20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
Basi kama ninatenda lile nisilotaka kutenda, si mimi tena nifanyaye hivyo, bali ni ile dhambi ikaayo ndani yangu.
21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.
Hivyo naiona sheria ikitenda kazi. Ninapotaka kutenda jema, jambo baya liko papo hapo.
22 Fa mankasitraka ny lalàn’ Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
Kwa maana katika utu wangu wa ndani naifurahia sheria ya Mungu.
23 nefa mahita lalàna hafa amin’ ny momba ny tenako aho, miady amin’ ny lalàn’ ny saiko ka mamabo ahy ho an’ ny lalàn’ ny ota izay ao amin’ ny momba ny tenako.
Lakini ninaona kuna sheria nyingine inayotenda kazi katika viungo vya mwili wangu inayopigana vita dhidi ya ile sheria ya akili yangu. Sheria hii inanifanya mateka wa ile sheria ya dhambi inayofanya kazi katika viungo vya mwili wangu.
24 Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity?
Ole wangu mimi maskini! Ni nani atakayeniokoa na mwili huu wa mauti?
25 Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn’ Andriamanitra aho amin’ ny saiko, fa ny lalàn’ ny ota kosa amin’ ny nofoko.
Ashukuriwe Mungu kwa njia ya Yesu Kristo Bwana wetu! Hivyo basi, mimi mwenyewe kwa akili zangu ni mtumwa wa sheria ya Mungu, lakini katika asili ya dhambi ni mtumwa wa sheria ya dhambi.

< Romana 7 >