< Romana 6 >

1 Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ ny ota ihany va isika hitomboan’ ny fahasoavana?
Tuseme nini basi? Je, tuendelee kutenda dhambi ili neema ipate kuongezeka?
2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
La hasha! Sisi tulioifia dhambi, tutawezaje kuendelea kuishi tena katika dhambi?
3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany?
Au hamjui ya kuwa sisi sote tuliobatizwa katika Kristo Yesu tulibatizwa katika mauti yake?
4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny fiainam-baovao.
Kwa hiyo tulizikwa pamoja naye kwa njia ya ubatizo katika mauti, ili kama vile Kristo alivyofufuliwa kutoka kwa wafu kwa utukufu wa Baba, vivyo hivyo sisi nasi pia tupate kuenenda katika upya wa uzima.
5 Fa raha nampiraisina taminy tamin’ ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ ny fitsanganany;
Kwa maana ikiwa tumeungana naye katika mauti yake, bila shaka tutaungana naye katika ufufuo wake.
6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Kwa maana twajua kwamba utu wetu wa kale ulisulubiwa pamoja naye ili ule mwili wa dhambi upate kuangamizwa, nasi tusiendelee kuwa tena watumwa wa dhambi.
7 Fa izay efa maty dia afaka amin’ ny ota.
Kwa maana mtu yeyote aliyekufa amehesabiwa haki mbali na dhambi.
8 Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
Basi ikiwa tulikufa pamoja na Kristo, tunaamini kwamba pia tutaishi pamoja naye.
9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Kwa maana tunajua kwamba Kristo, kwa sababu alifufuliwa kutoka kwa wafu, hawezi kufa tena; mauti haina tena mamlaka juu yake.
10 Fa ny amin’ ny nahafatesany, dia maty ny amin’ ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’ Andriamanitra Izy.
Kifo alichokufa, aliifia dhambi mara moja tu, lakini uzima alio nao anamwishia Mungu.
11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ ny ota, fa velona ho an’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy.
Vivyo hivyo, jihesabuni wafu katika dhambi lakini mlio hai kwa Mungu katika Kristo Yesu.
12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
Kwa hiyo, msiruhusu dhambi itawale ndani ya miili yenu, ipatikanayo na kufa, ili kuwafanya mzitii tamaa mbaya.
13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ ny ota ho fiadian’ ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an’ Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ ny fahamarinana ho an’ Andriamanitra.
Wala msivitoe viungo vya miili yenu vitumike kama vyombo vya uovu vya kutenda dhambi, bali jitoeni kwa Mungu, kama watu waliotolewa kutoka mautini kuingia uzimani. Nanyi vitoeni viungo vya miili yenu kwake kama vyombo vya haki.
14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ ny lalàna ianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana.
Kwa maana dhambi haitakuwa na mamlaka juu yenu, kwa sababu hampo chini ya sheria, bali chini ya neema.
15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin’ ny lalàna, fa ambanin’ ny fahasoavana? Sanatria izany!
Ni nini basi? Je, tutende dhambi kwa kuwa hatuko chini ya sheria bali chini ya neema? La, hasha!
16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an’ iza na ho an’ iza, dia mpanompon’ izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin’ ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ ny fahamarinana?
Je, hamjui kwamba mnapojitoa kwa mtu yeyote kama watumwa watiifu, ninyi ni watumwa wa yule mnayemtii, aidha watumwa wa dhambi, ambayo matokeo yake ni mauti, au watumwa wa utii ambao matokeo yake ni haki?
17 Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon’ ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban’ ny fampianarana izay nanolorana anareo;
Lakini Mungu ashukuriwe kwa kuwa ninyi ambao kwanza mlikuwa watumwa wa dhambi, mmekuwa watii kutoka moyoni kwa mafundisho mliyopewa.
18 ary rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’ ny fahamarinana.
Nanyi, mkiisha kuwekwa huru mbali na dhambi, mmekuwa watumwa wa haki.
19 Miteny araka ny fanaon’ ny olona aho noho ny fahalemen’ ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
Ninasema kwa namna ya kibinadamu kwa sababu ya udhaifu wenu wa hali ya asili. Kama vile mlivyokuwa mkivitoa viungo vya miili yenu kama watumwa wa mambo machafu na uovu uliokuwa ukiongezeka zaidi, hivyo sasa vitoeni viungo vyenu kama watumwa wa haki inayowaelekeza mpate kutakaswa.
20 Fa fony mpanompon’ ny ota ianareo, dia afaka tamin’ ny fahamarinana.
Mlipokuwa watumwa wa dhambi, mlikuwa hamtawaliwi na haki.
21 Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’ izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran’ izany zavatra izany.
Lakini mlipata faida gani kwa mambo hayo ambayo sasa mnayaonea aibu? Mwisho wa mambo hayo ni mauti.
22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon’ Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
Lakini sasa kwa kuwa mmewekwa huru mbali na dhambi na mmekuwa watumwa wa Mungu, faida mnayopata ni utakatifu, ambao mwisho wake ni uzima wa milele. (aiōnios g166)
23 Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika. (aiōnios g166)
Kwa maana mshahara wa dhambi ni mauti, bali karama ya Mungu ni uzima wa milele katika Kristo Yesu Bwana wetu. (aiōnios g166)

< Romana 6 >