< Salamo 27 >

1 Nataon’ i Davida.
大衛的詩。 耶和華是我的亮光,是我的拯救, 我還怕誰呢? 耶和華是我性命的保障, 我還懼誰呢?
2 Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.
那作惡的就是我的仇敵, 前來吃我肉的時候就絆跌仆倒。
3 Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
雖有軍兵安營攻擊我,我的心也不害怕; 雖然興起刀兵攻擊我,我必仍舊安穩。
4 Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’ i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’ i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
有一件事,我曾求耶和華,我仍要尋求: 就是一生一世住在耶和華的殿中, 瞻仰他的榮美,在他的殿裏求問。
5 Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
因為我遭遇患難,他必暗暗地保守我; 在他亭子裏,把我藏在他帳幕的隱密處, 將我高舉在磐石上。
6 Koa dia hisandratra ambonin’ ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’ i Jehovah aho.
現在我得以昂首,高過四面的仇敵。 我要在他的帳幕裏歡然獻祭; 我要唱詩歌頌耶和華。
7 Mihainoa, Jehovah ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
耶和華啊,我用聲音呼籲的時候,求你垂聽; 並求你憐恤我,應允我。
8 Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô;
你說:你們當尋求我的面。 那時我心向你說:耶和華啊, 你的面我正要尋求。
9 Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
不要向我掩面。 不要發怒趕逐僕人, 你向來是幫助我的。 救我的上帝啊,不要丟掉我, 也不要離棄我。
10 Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.
我父母離棄我, 耶和華必收留我。
11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin’ ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.
耶和華啊,求你將你的道指教我, 因我仇敵的緣故引導我走平坦的路。
12 Aza manolotra ahy ho amin’ ny sitrapon’ ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
求你不要把我交給敵人,遂其所願; 因為妄作見證的和口吐凶言的,起來攻擊我。
13 Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’ i Jehovah amin’ ny tanin’ ny velona.
我若不信在活人之地得見耶和華的恩惠, 就早已喪膽了。
14 Miandrasa an’ i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’ i Jehovah.
要等候耶和華! 當壯膽,堅固你的心! 我再說,要等候耶和華!

< Salamo 27 >