< Salamo 2 >

1 Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
Why do the nations rage, and the peoples plot in vain?
2 Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
The kings of the earth take a stand, and the rulers take counsel together, against YHWH, and against his Anointed:
3 “Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.”
"Let's tear off their shackles, and throw off their ropes from us."
4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
The one who sits in the heavens laughs. YHWH scoffs at them.
5 Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe:
Then he will speak to them in his anger, and terrify them in his wrath:
6 “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’ i Ziona, tendrombohitro masìna.”
"But I myself have installed my king on Zion, my holy mountain."
7 “Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
I will tell of the decree. YHWH said to me, "You are my son. Today I have become your father.
8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.
Ask of me, and I will give the nations as your inheritance, and the farthest parts of the earth for your possession.
9 Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”
You shall rule them with an iron scepter. You shall dash them in pieces like a potter's vessel."
10 Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany.
Now therefore, you kings, be wise; receive correction, you judges of the earth.
11 Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana.
Serve YHWH with fear, and rejoice with trembling.
12 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
Do homage in purity, lest he be angry, and you perish in the way, when his anger is suddenly kindled. Blessed are all those who take refuge in him.

< Salamo 2 >