< Joba 42 >

1 Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:
Then Job answered YHWH,
2 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
"I know that you can do all things, and that no purpose of yours can be restrained.
3 Iza no mahatakona ny fisainanao amin’ ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
You asked, 'Who is this who hides counsel without knowledge?' therefore I have uttered that which I did not understand, things too wonderful for me, which I did not know.
4 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
You said, 'Listen, now, and I will speak; I will question you, and you will answer me.'
5 Fandrenesan’ ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
I had heard of you by the hearing of the ear, but now my eye sees you.
6 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho.
Therefore I abhor myself, and repent in dust and ashes."
7 Ary rehefa voalazan’ i Jehovah tamin’ i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin’ i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
It was so, that after YHWH had spoken these words to Job, YHWH said to Eliphaz the Temanite, "My wrath is kindled against you, and against your two friends; for you have not spoken of me the thing that is right, as my servant Job has.
8 Koa ankehitriny makà vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin’ i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
Now therefore, take to yourselves seven bulls and seven rams, and go to my servant Job, and offer up for yourselves a burnt offering; and my servant Job shall pray for you, for I will accept him, that I not deal with you according to your folly. For you have not spoken of me the thing that is right, as my servant Job has."
9 Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an’ i Joba.
So Eliphaz the Temanite and Bildad the Shuhite and Zophar the Naamathite went, and did what YHWH commanded them, and YHWH accepted Job.
10 Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba, raha nivavaka ho an’ ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
YHWH turned the captivity of Job, when he prayed for his friends. YHWH gave Job twice as much as he had before.
11 Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran’ i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.
Then came there to him all his brothers, and all his sisters, and all those who had been of his acquaintance before, and ate bread with him in his house. They comforted him, and consoled him concerning all the evil that YHWH had permitted on him. And each of them gave him a kesitah and a gold ring.
12 Ary Jehovah nitahy ny niafaran’ i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman’ osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
So YHWH blessed the latter end of Job more than his beginning. He had fourteen thousand sheep, six thousand camels, one thousand yoke of oxen, and a thousand female donkeys.
13 Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
He had also seven sons and three daughters.
14 ka ny anaran’ ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran’ ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran’ ny faravavy Kerena-hapoka.
He called the name of the first, Jemimah; and the name of the second, Keziah; and the name of the third, Keren Happuch.
15 Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin’ i Joba hita tany amin’ ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin’ ny anadahiny izy.
In all the land were no women found so beautiful as the daughters of Job. Their father gave them an inheritance among their brothers.
16 Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian’ izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin’ ny zafin-dohaliny aza.
After this Job lived one hundred forty years, and saw his sons, and his sons' sons, to four generations.
17 Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.
So Job died, being old and full of days.

< Joba 42 >